Jodita 12 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny nitoeran’i Jodita teo amin’ny toby asirianina

1Tamin’izay i Jodita dia nasain’i Hôlôferna nampandrosoina tao amin’ny efitrano fisakafoany, ka fitaovana volafotsy no teo an-databatra; ary nodidian’ilay filohan-tafika mba ho avy amin’ny sakafony sy ny divainy no homena an-dravehivavy.

2Fa i Jodita kosa niteny taminy hoe:

–Tsy azoko atao ny mihinana amin’izany zavatra izany, fandrao hanota amin’Andriamanitra aho; fa ny zavatra efa nentiko ho ahy ihany no hohaniko.

3Dia hoy i Hôlôferna taminy:

–Ka rehefa lany ny vatsy nentinao, dia aiza no hahazoanay sakafo mitovy amin’izany mba homena anao? Tsy misy olona mpiray firazanana aminao manko miaraka aminay.

4Fa novalian’i Jodita hoe:

–Velona ianao, tompokolahy, ka mianiana aho fa tsy hahalany ireto vatsy ireto izaho mpanompovavinao, alohan’ny hanantanterahan’Andriamanitra amin’ny alalako ny hevitra voakasany.

5Avy eo nampidirin’ireo mpanompon’i Hôlôferna tao amin’ny tranolay anankiray i Jodita. Dia natory tao hatrany amin’ny misasakalina ravehivavy. Alohan’ny mangiran-dratsy, dia niarina izy

6ary nandefa iraka hangataka amin’i Hôlôferna mba hanome baiko hahafahany mivoaka ny toby mba hivavaka.

7Dia nodidian’i Hôlôferna ireo mpiambina mba tsy hisakana azy.

Telo andro no nipetrahan’i Jodita teo amin’ny toby. Isaky ny alina izy dia lasa nankany amin’ny hadin’i Betolia ary nandro teo amin’ny loharano.

8Rehefa tafakatra avy any amin’ilay loharano izy, dia nivavaka tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely mba hitarika azy amin’izay ataony mba hamonjeny ny taranaky ny fireneny.

9Avy nidio

toy izany ravehivavy, dia niverina tao an-tranolay, ary nijanona tao izy, mandra-pandroso sakafo ho azy amin’ny hariva.

Ny fanasana nataon’i Hôlôferna

10Tamin’ny andro fahefatra dia nanao fanasana i Hôlôferna, saingy ho an’ireo mpanompony ihany. Tsy misy nasainy na iray aza ireo komandin’ny tafiny.

11Ary hoy izy tamin’i Bagôà mpiandraikitra ny raharahany rehetra:

–Ndeha ianao mankany amin’ilay vehivavy hebreo izay nampiambenina anao; ka taomy izy hanaiky hisakafo sy hisotro miaraka amintsika.

12Fahafaham-baràka ho antsika manko ny mamela handeha vehivavy tahaka azy ka tsy hanaram-po aminy; eny, raha tsy tambatambazantsika izy, dia haneso antsika.

13Niala teo anatrehan’i Hôlôferna i Bagôà ka nankany amin’i Jodita ary niteny taminy hoe:

–Ry andriambavilanitra meva, aoka ianao tsy hisalasala mankany amin’ny tompoko mba homem-boninahitra eo anatrehany. Hifaly hiara-misotro divay aminy ianao, ka ho finaritra tahaka ny tovovavy asirianina izay mipetraka ao an-dapan’i Nebokadnetsara.

14Dia hoy ny navalin’i Jodita an’i Bagôà:

–Z’inona moa aho no hanohitra iny tompoko iny? Hataoko faingana ny zavatra rehetra mahafinaritra azy ka ho hafaliana ho ahy mandra-pahatongan’ny andro hahafatesako.

15Dia lasa i Jodita nametaka ny akanjony tsara indrindra ary niravaka ny fihaingoany rehetra. Nankao amin’ny tranolain’i Hôlôferna kosa ity mpanompovaviny ka namelatra hoditr’omby tamin’ny tany teo anoloan’ilay filohan-tafika. Io hoditr’omby io no natolotr’i Bagôà an’i Jodita hampiasainy isan’andro mba hahazoany miampatra rehefa misakafo.

16Dia niditra tao amin’ny tranolain’i Hôlôferna i Jodita, ary nitsotra teo ambonin’ny hoditr’omby. Dibon-kafaliana tokoa ny fon’i Hôlôferna ary nangitakitaka aoka izany izy tamin’izany. Nitsiriritra mafy ny hiray amin’i Jodita izy, ary hatramin’ny andro voalohany nahitany azy no efa nitily ny fotoana mety hanangoleny azy.

17Ka hoy i Hôlôferna taminy:

–Misotroa ary mifalia miaraka aminay ianao!

18Ary novalian’i Jodita hoe:

–Eny, tompoko, hisotro aho satria androany ny fiainako no nahazo haja mihoatra noho ny andro hafa rehetra hatry ny nahaterahako.

19Dia noraisin’i Jodita ny efa nomanin’ilay mpanompovaviny ka nohaniny sy nosotroiny teo anatrehan’i Hôlôferna.

20Nentanin-kafaliana loatra kosa i Hôlôferna noho ny aminy, ka nisotro divay tsy anerany; tsy mbola nisy andro nisotroany be toy izany hatry ny nahaterahany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help