Mikà 7 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny fitarainan’ny mpaminany

1Indrisy, tahaka ny olona mioty aviavy

aorian’ny fiotazam-boankazo aho

ka tsy mahita aviavy masaka ifotony

izay ankafiziko tokoa;

ary tahaka ny olona mitsimpona sampaho

aorian’ny fiotazam-boaloboka aho,

ka tsy mahita voaloboka firy hohanina!

2Fa foana teo amin’ny tany

ny olona tena mpivavaka;

ary tsy misy olo-marina intsony

eo amin’ny olombelona.

Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy rehetra;

ary samy mihaza mpiray tampo

amin’ny fandrika harato ny tsirairay.

3Vonona hanao ratsy ny tanany;

ny mpitondra sy ny mpitsara mitaky tsolotra;

ary ny lehibe milaza izay zavatra iriny,

ka miara-miteti-dratsy hahatanteraka azy,

4Ny tsara indrindra aminy dia toy ny roy,

ary ny mahitsy indrindra aminy

dia ratsy noho ny fefy tsilo.

Ho avy ny andro famaizana anareo

araka ny nambaran’ireo mpaminany mpitilinareo;

ary, ankehitriny aza, dia efa manahy mafy ianareo.

5Aza matoky namana,

ary aza miantehitra amin-tsakaiza.

Tandremo tsara ny vavanareo

na dia eo anatreham-bady aza.

6Fa ny zanakalahy maniratsira ny rainy,

ny zanakavavy manohitra ny reniny,

ny vinantovavy manohitra ny rafozam-baviny,

ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.

7Fa izaho kosa mitodika amin’ny TOMPO

ary manantena an’Andriamanitra mpamonjy ahy,

fa hihaino ahy ilay Andriamanitro.

Fanantenana sy vavaky ny vahoaka

8Aza mihomehy ny aminay ianareo fahavalonay!

fa na lavo aza izahay, dia mbola hiarina;

ary na mipetraka ao amin’ny maizina aza izahay,

dia ny TOMPO no fahazavana ho anay.

9Satria efa nanota tamin’ny TOMPO izahay,

dia hozakainay ny fahatezerany,

mandra-piarony ny adinay

ka hanomezany rariny anay.

Hamoaka anay ho eo amin’ny mazava Izy

ka ho finaritra izahay hahita ny soa nataony taminay.

10Hahita izany ny fahavalonay

ka ho rakotry ny henatra,

dia ireo niteny taminay hoe:

«Aiza ihany ny TOMPO Andriamanitrareo?»

Ho finaritra izahay hahita azy ireo,

fa amin’izay dia ho tonga fanosy

toy ny fotaka eny an-dàlana izy.

11Ho avy ny andro hananganana indray

ny màndan’ny renivohitrao, ry Joda;

ka amin’izany andro izany,

dia hitarina lavitra kokoa ny faritry ny taninao.

12Amin’izany andro izany, dia hiverina ho aminao

ny mpiray tanindrazana rehetra

hatreo Asiria ka hatrany Ejipta,

hatreo Tiro ka hatrany Eofrata,

hatreo amin’ny ranomasina iray

ka hatrany amin’ny ranomasina hafa,

hatreo amin’ny tendrombohitra iray

ka hatrany amin’ny tendrombohitra hafa.

13Ary ho tonga lao ny tany sisa

noho ny asa ratsy vitan’ireo mponina ao aminy.

14TOMPO ô, ny tehinao no ento miandry ny vahoakanao,

dia ny andianondry fanananao,

izay mitoka-monina eo amin’ny tany be akata

voahodidina saha mahavokatra;

aoka izy handrasana any Basàna sy Gilehada

tahaka ny tamin’ny andro taloha.

15«–Toy ny tamin’ny andro

nialan’ny vahoakako tany Ejipta,

dia hanao zava-mahagaga ho azy Aho.–»

16Hahita izany ny firenen-kafa

ka ho menatra na dia eo aza ny heriny rehetra.

Ho gaga loatra izy ka hitampim-bava

sy ho gina sofina.

17Hilela-bovoka toy ny menarana

sy ireo biby mikisaka amin’ny tany izy.

Amin-kovitra no hialany

avy ao amin’ny tranomimanda fiereny,

ka hanatonany Anao TOMPO Andriamanitray.

Eny, hangorohoro izy ary hanaja Anao.

18Tsy misy andriamanitra mitovy aminao,

ry TOMPO mpanaisotra ny heloka.

sy mpamela ny fahadisoana.

Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao,

dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao

fa tia maneho fitiavana aminay.

19Hamindranao fo indray izahay,

hohitsakitsahinao ny helokay;

ary any ambany ranomasina lalina any

no hanarianao ny fahotanay rehetra.

20Hasehonao aminay taranak’i Abrahama sy i Jakôba

ny toetranao mahatoky sy ny fitiavanao,

araka izay efa nianiananao tamin’ny razambenay

hatramin’ny andro fahagola.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help