Ezekiela 15 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny tahom-boaloboka nodorana tamin’ny afo

1Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2«Ry ilay taranak’olombelona, moa sarobidy kokoa noho ny vatan-kazo avy amin’ny hazo any an’ala ve ny tahom-boaloboka?

3Moa mety hanaovana fanaka ve izy na hanamboarana fanantonan-javatra?

4Tsia, fa ny hatsipy ao anaty afo ho kitay no sahaza ny tahom-boaloboka. Rehefa main’ny afo ny tendrony roa ary efa mirehitra ny eo an-tenatenany, moa mbola azo ampiasaina hanaovan-javatra ihany ve izy?

5Fony mbola tsy nanombinana aza izy, tsy azo nanaovan-javatra; mainka rehefa may sy lanin’ny afo izy, dia tsy azo anaovana na inona na inona intsony.

6«Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Ny tahom-boaloboka no atsipy ao anaty afo ho kitay, fa tsy ny vatan-kazo avy amin’ny hazo hafa. Toy izany no hanafaizako ny mponin’i Jerosalema,

7fa hirotsaka an-tsehatra Aho hamely azy. Mihevitra ho afaka tamin’ny afo izy kanjo ho levon’ny afo ihany. Amin’izay dia hiaiky ianareo fa Izaho no TOMPO, rehefa hirotsaka an-tsehatra hamely azy Aho.

8Hataoko lao ny taniny, satria nivadika tamiko ireo. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany›. »

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help