Fahendrena 10 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Ny Fahendrena no niaro ny olona voalohany

izay noforonina ho rain’ny tontolo,

fony izy mbola irery.

Avy eo, rehefa nanao fahotana ny olona,

dia ny Fahendrena no nanafaka azy tamin’izany

2sady nanome azy hery

hifehezana ny zavaboaary rehetra.

3Fa nisy olona anankiray tsy marina

izay niala tamin’ny Fahendrena

noho ny fahatezerany,

ka levon’ny haromotany nahafaty rahalahy.

4Noho ny aminy dia safo-drano ny tany;

ka mbola ny Fahendrena ihany no namonjy azy,

rehefa nitarika ny olo-marina hamakivaky ny onja

tamin’ny sambo hazo tsotsotra.

5Ary fony ireo firenen-tsamihafa

niray tsikombakomba hanao ratsy

ka tonga tsy nifankahazo fiteny intsony,

dia fantatry ny Fahendrena ilay olo-marina

ka notahiriziny tsy ho azo kianina

teo anatrehan’Andriamanitra izy,

ary narovany hahery

tsy ho resin’ny fitiavan-janaka.

6Rehefa naringana ny tsy mpivavaka,

dia Izy no nanafaka ny marina

izay nandositra ny afo niatonta

tamin’ireo tanàna dimy.

7Ho vavolombelon’ny haratsiam-panahiny

dia izao no mbola hita ao:

tany karankaina sy mivoaka etona,

hazo mamoa tsy mety masaka,

ary andry vongan-tsira mijoro

hahatsiarovana olona iray tsy nino.

8Nanamavo ny Fahendrena ireny tsy mpivavaka ireny,

ka sady tsy afa-nahalala ny tsara akory

no namela mari-pahatsiarovana ny hadalany

ho an’ny taranak’olombelona ihany koa.

Izany no tsy hahavery tadidy azy

ao anatin’ny fahadisoana vitany.

9Nefa dia nafahan’ny Fahendrena

tamin’ny fahoriana rehetra ireo mpanompony.

10Ilay olo-marina izay nandositra

ny fahatezeran’ny rahalahiny,

dia ny Fahendrena no nitarika azy

tamin’ny lala-mahitsy

sy naneho azy ny fanjakan’Andriamanitra

ary nampahafantatra azy ny zava-masina.

Izy no nampahomby azy tamin’ny fisasarany

ka nampitombo ny vokatry ny fiezahany.

11Nanampy azy koa ny Fahendrena

tsy ho voambakan’ny mpampahory mahidy

ka nampanankarena azy tamin’ny farany.

12Nambenany tamin’ny fahavalony izy

ary narovany tamin’ny mpamela-pandrika;

nomeny fandresena tamin’ny ady mafy izy

hampahafantarany azy fa ny fitiavam-bavaka

dia mahery noho ny zavatra rehetra.

13Nisy koa olo-marina namidy

ka tsy mba nilaozan’ny Fahendrena

fa narovany tamin’ny fahotana.

14Niara-nidina taminy tao an-davaka izy

ary tsy nandao azy am-patorana

mandra-panomeny azy ny fahefàm-panjakana

sy ny fifehezana an’ireo mpamoritra azy fahiny.

Noporofoin’ny Fahendrena araka izany

fa mpandainga ireo mpiampanga ilay olo-marina;

ary izy kosa nomeny voninahitra mandrakizay.

15Ny vahoaka masina sady taranaka tsy azo kianina

dia nafahan’ny Fahendrena

tamin’ny firenena izay namoritra azy.

16Ny mpanompon’ny Tompo anankiray

no nidirany tao amin’ny fanahiny;

ka mpanjaka mahatahotra no nifanandrinany

tamin’ny zava-mahagaga sy famantarana.

17Nomeny valin-kasasarana

ilay vahoakan’Andriamanitra

sady notarihiny tamin’ny lalana

izay voafafy zava-mahagaga.

Ho azy ny Fahendrena dia nanjary

toa alokaloka nony antoandro

ary toa famirapira-kintana nony alina.

18Nampamakiny ny Ranomasina Mena izy

ary notarihiny lalana

teo afovoan’ny fiavosan-drano anankiroa.

19Fa ireo fahavalony kosa nalentiny ho faty;

ka avy any amin’ny fanambanin’ny lalina any

no natsipiny ho eny amoron-drano.

20Koa dia norobain’ny marina ny tsy mpivavaka.

Nihira ny anaranao masina izy, Tompo ô,

ary niara-nankalaza ny herinao niaro azy.

21Fa nampisoka-bava ny moana ny Fahendrena

ary namaha ny lelan’ny zaza madinika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help