Salamo 46 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ny Tompon’izao rehetra izao no momba anay

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny zava-maneno avo feo. Tononkira nataon’ireo terak’i Kôra

.

2Andriamanitra ny anay no aro sy hery;

mpamonjy mora azo indrindra Izy amin’ny fahoriana.

3Koa tsy atahoranay na tany hihozona,

na tendrombohitra hianjera any anaty ranomasina,

4na riaka hirohondrohona sy handroatra

ka hibontsina hampikoa ny tendrombohitra.

Ny TOMPOn’izao rehetra izao no momba anay;

ilay Andriamanitr’i Jakôba no fialofanay!

Fiatoana

5Misy renirano mampifaly ny tanànan’Andriamanitra,

dia ilay fonena-masina tsy manan-tsahala

amin’ireo fonenan’ny Avo Indrindra.

6Andriamanitra no eo anivony ka tsy hihontsona izy;

Andriamanitra mamonjy azy raha ho avy ny maraina.

7Mitabataba ny firenena,

mikorontana ny fanjakana;

ny Tompo kosa namoaka feo toa kotro-baratra,

dia nihovotra sy niempo ny tany.

8Ny TOMPOn’izao rehetra izao no momba anay;

ilay Andriamanitr’i Jakôba no fialofanay!

Fiatoana

9Tongava hizaha ny asa vitan’ny TOMPO,

dia ny zava-mampitolagaga nataony teto an-tany:

10ny ady ampitsahariny

hatrany am-paran’ny tany,

ny tsipîka sy ny lefona tapatapahiny,

ary ny ampinga ataony kilan’ny afo.

11Hoy ny Tompo hoe: «Tapitra hatreo ny ady;

ka ekeo fa Izaho no Andriamanitra,

voasandratra hanerinerina amin’ireo firenena,

voasandratra hanerinerina amin’ny tany.»

12Ny TOMPOn’izao rehetra izao no momba anay;

ilay Andriamanitr’i Jakôba no fialofanay!

Fiatoana

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help