Jôba 12 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Valintenin’i Jôba: lozabe tsy azo ifonana Andriamanitra

1Dia namaly i Jôba ka nanao hoe:

2Marina fa ianareo no feon’ny vahoaka;

ary dia hiara-maty aminareo ny fahendrena.

3Kanefa mba manan-tsaina toa anareo koa aho

ka tsy manaiky ho ambany noho ianareo.

Fa iza no tsy mahalala izay lazainareo?

4Tonga fihomehezan’ny sakaizako aho

raha mba miantso an’Andriamanitra hamaly ahy;

eny, ihomehezana ny marina tsy manan-tsiny.

5«Ny ory tsy mba rangahy,»

hoy ny eson’ireo miadam-pinaritra;

fampihatra amin’ny olona lavo.

6Miadana ao an-tranony ny jiolahy mpandroba;

tsy manana ahiahy ny mpihaika an’Andriamanitra,

dia izay tsy mahalala andriamanitra afa-tsy ny heriny.

*

7Mba anontanio ny biby fa hampianatra anao izy,

ary ny voro-manidina fa hananatra anao izy.

8Mitenena amin’ny tany fa hampahafantatra anao izy,

ary ny trondron-dranomasina fa hampahalala anao koa izy.

9Iza amin’ireo voaary rehetra ireo no tsy mahalala

fa asan’ny tanan’ny TOMPO avokoa ireny!

10Izy no mitana ny ain’ny voaary rehetra,

mbamin’ny fofonain’ny olombelona tsirairay avy.

11«Adidin’ny sofina ny mamantatra ny teny,

ary adidin’ny lanilany kosa

ny mahatsapa tsiron-kanina»,

hoy ny filàzan’ny oha-pitenenana.

12«Izay anti-panahy manam-pahendrena

ary izay ela nihetezana, hono, lava volo.»

13Saingy Andriamanitra kosa

no tompon’ny fahendrena sy ny fahefana;

Azy koa ny tolo-kevitra sy ny fahalalana.

*

14Tsy misy mahatsangana izay ravan’Andriamanitra,

ary tsy misy mahafaka izay voagadrany.

15Raha mitana ny orana Izy,

dia tonga ny hain-tany;

fa raha mandefa ny rano kosa Izy,

dia tondraka ny tany.

16Ao aminy ny hery sy ny fahakingana;

samy Azy na ny voafitaka na ny mpamitaka.

17Ampirediredeny ireo mpanolotsaim-panjakana,

ary ataony very saina ny mpitsara.

18Foanany ny fanamparam-pahefàn’ny mpanjaka,

ka tady mahazaka no solom-pehikibony.

19Ampirediredeny koa ny mpisorona,

ary aongany izay manam-pahefana.

20Ampangininy ny mpikabary mahay

ary esoriny ny fahiratan-tsain’ny anti-panahy.

21Fatrarany henatra ireo olona ambony

ary ketrahiny ny herin’ny matanjaka.

22Ahanjahanjany ny zava-miafina tanatin’ny haizina;

ary izay tao amin’ny aloky ny fahafatesana

dia avoakany ho eo amin’ny mazava.

23Ampitomboiny ny firenena, nefa aringany avy eo;

Avelany hitatra izy, kanjo ataony sesitany indray.

24Vereziny ny sain’ireo mpifehin’ny tany,

ka ampirenireneny any an-taniefitra tsy misy lalana;

25any no itsapatsapany anaty haizina mikitroka

sy ampivembenan’Andriamanitra azy tahaka ny mamo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help