Bena-Siràka 14 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Sambatra ny olona tsy diso tamin’ny teniny,

ary tsy ampahorîn’ny nenina noho ny fahotany.

2Sambatra izay tsy mba melohin’ny eritreriny,

ary tsy mba diso fanantenana na oviana na oviana.

Toetra mahihitra

3Ny harena dia tsy mahasoa ny olona mahidy;

ary inona no asan’ny harembe amin’ny mpikafiry?

4Izay mpanangona mahihitra ho an’ny tenany

dia manangom-pananana ho an’ny hafa;

ka olon-kafa no ho velom-pinaritra amin’ny hareny.

5Amin’iza no mba halemy fanahy

izay lozabe amin’ny tenany?

Tsy mba hiadana amin’ny harembeny izy.

6Tsy misy ratsy noho izay mampahory tena,

ary izany no tamby tandrifin’ny haratsiany.

7Raha misy soa ataon’ny mahihitra, dia tsy fanahy iniany,

ary hihariharian’ny haratsiany aza no iafarany.

8Ny manam-pijery be kafiry dia ratsy toetra

ka mihodivitra tarehy sy manesoeso ny olona.

9Ny fijerin’olona tia harena dia tsy afa-pon’izay anjarany;

ary fahidiana mandoza no manamaina ny fanahiny.

10Mitsitsy hanin-kohanina ny mahihitra

ka tsy misy na dia eo amin’ny latabatra fisakafoany aza.

Hararaoty tsara ny fiainana

11Anaka, mba karakarao tsara ny tenanao

arakaraka izay fanananao;

ary manaova sakafo tsara ianao

amin’ny fotoana ahafahanao manao izany.

12Tsarovy fa tsy ho ela fiavy ny fahafatesana,

ary tsy nambara taminao ny tendry

izay naraikitry ny toeran’ny maty.

13Alohan’ny hahafatesanao,

dia manaova soa amin’ny sakaizanao;

ary atsory ny tananao hanome azy

arakaraka izay fanananao.

14Aza mifady tsy hanao andro firavoravoana,

ary aza avela hisy very tantana

izay tokony hahazoanao fahafaham-po mitombina.

15Fantatrao tsara fa havelanao ho an’ny hafa

ny vokatry ny fahasahirananao

ary hozaraina araka izay tendrin’ny antsapaka

ny vokatry ny fisasaranao.

16Sady manomeza no mandraisa,

ka ampifalio araka izany ny fonao,

fa tsy misy hafinaretana andrandraina

any amin’ny toeran’ny maty.

17Mihatonta toy ny fitafiana ny nofo rehetra,

satria ny tendry hatrizay hatrizay dia ny hoe:

«Tsy maintsy ho faty tokoa ianao!»

18Toy ny ravina eo amin’ny hazo midoroboka,

misy ny mihintsana, misy ny mitsiry;

toy izany koa ny taranaky ny olona nofo aman-dra,

misy ny maty, misy ny teraka.

19Levona no hiafaran’ny asa mety simba rehetra,

ary ho lasa miaraka aminy koa izay nanao azy.

Fitadiavam-pahendrena

20Sambatra ny olona milofo amin’ny fahendrena

sy manazatra saina amin’ny famotopotorana,

21ka mieritreritra ao am-pony ny làlam-pahendrena

ary mandinidinika ny zava-miafina raketiny:

22manenjika ny fahendrena toy ny mpihaza izy

ary mihendry azy eny amin’ny fandalovany.

23Eo am-baravarankelin’ny fahendrena

no iondrehan’izany olona izany hijery,

eo am-baravarambeny no ihainoany,

24eo akaikin’ny tranony no honenany,

ao anaty rindriny no anatsatohany tsimaday,

25eo anilany no ananganany tranolay,

ka toeram-pahasambarana no honenany.

26Eo ambany fiarovan’ny fahendrena

no ametrahan’izany olona izany ny zanany,

ary eo ambanin’ny rantsany no ialofany;

27noho ny alokaloky ny fahendrena

dia ho voaaro amin’ny hafanana izy

ary honina ao anatin’ny voninahiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help