1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe «Aza ravana...». Hira malefaka nataon’i Davida, fony i Saoly naniraka hiambina ny tranon’i Davida mba hamonoany azy
.2Andriamanitra ô, afaho amin’ny fahavaloko aho,
arovy tsy ho voan’ireo mpamely ahy.
3Afaho amin’ny mpanao ratsy aho,
vonjeo tsy ho azon’ny mpandatsa-dra.
4Indreo izy miery ka mikendry hahafaty ahy;
olo-matanjaka no mivorivory hamely ahy,
kanefa tsy meloka aho na nanota, TOMPO ô;
5tsy misy hadisoana vitako velively,
kanefa milomay izy mivonon-kijoko ahy.
6Ianao TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao
sady Andriamanitr’i Israely ô,
mifohaza, tongava atỳ amiko ka jereo;
mifohaza hanasazy ny mpanompo sampy,
aza misy iantrana ireo mpivadika ratsy ireo.
Fiatoana
7Nony hariva, dia mitampody ny fahavaloko
ka toa andian’alika mivovò
mihaodihaody eran’ny tanàna.
8Injao fa midaondaom-bava izy,
ka ny teniny toy ny sabatra;
heveriny fa tsy misy mandre azy.
9Kanjo Ianao, TOMPO ô, homehy azy;
esoinao ny mpanompo sampy rehetra!
10Ry Heriko ô, Ianao no andrandraiko
satria Andriamanitra fiarovana avo ho ahy.
11Ilay Andriamanitra fatra-pitia ahy
dia ho avy tokoa hialoha ahy
ka hataony hitako ny fahavaloko resy.
12Andriamanitra ô, aza aringana avy hatrany ireo
fandrao hadinon’ny vahoakako ny fandresenao;
ahofokofohy amin’ny herinao ireo
ka azerao, ry Tompo ampinganay ô.
13Vao miteny izy, dia manota aminao;
koa ataovy voafandriky ny avonavony
sy tratry ny ozona aman-dainga tanisainy.
14Aringano an-katezerana izy,
aringano ka aza avela hisy hiangana;
dia ho fantatra hatrany am-paran’ny tany
fa Andriamanitra no mifehy
eo amin’ny taranak’i Jakôba.
Fiatoana
15Nony hariva, dia mitampody ireo fahavaloko
ka toa andian’alika mivovò
mihaodihaody eran’ny tanàna
16sady miriorio mitady hanina;
ka raha tsy voky izy, dia maneronerona.
17Izaho kosa hihira ny herinao
sy hihoby vao maraina ny fitiavanao,
satria Ianao fiarovana avo ho ahy
sady fialofana amin’ny andro fahoriana.
18Ry Heriko ô, mankalaza Anao amin-tsalamo aho
satria Ianao Andriamanitra fiarovana avo ho ahy,
dia ilay Andriamanitra fatra-pitia ahy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.