Salamo 39 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Mba ampiatoy ny famaizanao fa fohy loatra ny fiainana.

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’i Jedotòna, filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida

.

2Hoy aho hoe: «Hotandremako ny fitondrantenako

mba tsy hanota amin’ny teniko aho.

Hataoko toy ny tampina ny vavako,

raha mbola eo anatrehako ny olon-dratsy.»

3Koa tena nangina mihitsy aho,

tsy nivolana na dia tsy nahasoa aza.

Vao mainka nitombo ny fijaliako,

4nandevilevy ny foko tato anatiko,

toy ny doran’ny afo ny eritreritro,

ka tamin’ny farany aho nahateny hoe:

5TOMPO ô, ampahafantaro ahy

rahoviana no hifarana ny fiainako

ary hafiriana sisa no ahavelomako;

aoka ho fantatro fa mihelina aho!

6Indro fohy dia fohy tokoa ny androm-piainako;

ka ny fisiako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao.

Eny, ny olona rehetra matanjaka aza

dia toa tsio-drivotra mandalo;

Fiatoana

7eny tokoa fa ny olombelona

dia toa aloka miserana ihany!

Misahirana tsy misy antony izy,

manangon-karena nefa tsy mahalala

izay hanjary ho tompon’izany.

8Ary ankehitriny, Tompo ô,

inona no azoko andrasana?

Ianao ihany no antenaiko.

9Afaho amin’izay rehetra mpamadika ahy aho,

aza avela ho fanakòran’ireo adala.

10Koa mangina aho ary tsy miloa-bava,

satria Ianao no nahatonga izao.

11Nefa aza kapohinao intsony aho,

fa mila ho faty noho ny famelezanao.

12Raha manitsy ny olona Ianao

ka manafay azy noho ny helony,

dia manimba izay maminy indrindra

toy ny zavatra lanin’ny kalalao.

Eny tokoa fa ny olona rehetra

dia toa tsio-drivotra mandalo.

Fiatoana

13TOMPO ô, henoy ny vavaka ataoko

ary mandrenesa ny fitarainako;

aza odian-tsy hita ny ranomasoko

fa olona nasaina aho no eto aminao,

mpivahiny ihany toy ny razako rehetra.

14Mba ampiatoy ny famaizanao

hahazoako mitsiky indray,

alohan’ny hahalasanako

ho any amin’ny varo-tsy mifody.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help