1Fa tsy maintsy niharan’ny fahatezeranao tsy misy antra hatramin’ny farany kosa ireo fahavalo, satria fantatrao mialoha, Tompo ô, izay zavatra hataony:
2fantatrao fa rehefa navelany handeha ny vahoakanao sady nododonany hiala faingana, dia hiova hevitra indray izy ka hanenjika azy.
3Koa raha tsy afa-tsaona akory izy fa mbola nitomany teo amin’ny fasan’ireo havany maty, dia nandray fanapahan-kevitra adaladala indray izy ka nanenjika ho toy ny mpandositra ireo efa nitalahoany handeha.
4Tendry sahaza tsy azo ialana no nanosika azy ho amin’izany fiafarana izany ka nahatonga azy hanadino ny lasa mba ho feno lanja ny famaizana mbola tsy ampy tamin’ny fijaliany taloha.
5Fa raha nanohy ny diany mahagaga ny vahoakanao, izy kosa nahita fahafatesana manaitra.
6Fa novana indray hifanaraka amin’ny baikonao ny voaary manontolo araka ny karazany avy mba hiarovana ny zanakao amin’ny loza rehetra.
7Dia nisy rahona hita nandrakotra ny toby, ary indro tany maina no nitranga teo amin’izay nisy rano; nisy lalana azo naleha teo afovoan’ny Ranomasina Mena ka tonga lemaka maitso mavana ny onja misamboaravoara.
8Teo no nandalovan’ny vahoakanao iray manontolo, izay narovan’ny tananao sady nanatrika zava-mahagaga sy mahatalanjona.
9Niely toy ny soavaly eny an-tanimbilona izy ary nifalihavanja toy ny zanak’ondry teo am-piderana Anao, ry Tompo mpanafaka azy.
10Satria mbola tsaroany ny lasa fony izy nitoetra tany an-tany hafa: fa ny tany, izay mpanome taranaka biby fiompy dia lasa namokatra moka; ary ny ony, izay mpanome trondro, dia namoaka sahona marobe.
11Tatỳ aoriana dia tarana-borona vaovao koa no hitan’ny vahoakanao; fa raha nentin-kanoanana iny izy, dia nangataka hanim-py:
12koa mba hahafa-po azy, dia nisy papelika marobe niakatra avy any an-dranomasina.
Ny Ejiptianina sy ny fankahalana vahiny13Ary nianjera tamin’ny mpanota kosa ny famaizana taorian’ny tselatra sy ny kotro-baratra mafy izay fambara mialoha. Rariny loatra ny fijalian’ireo Ejiptianina noho ny helony satria fankahalana lozantany no nasehony tamin’ny vahiny.
14Marina fa fahiny ny mponin’i Sôdôma dia tsy nety nampiantrano olon-tsy fantatra. Fa ireo kosa nanandevo ny vahiny izay nanao soa taminy.
15Nofaizina ihany iretsy voalohany noho ny fiheverany ireo vahiny ho fahavalo, mainka fa ireto:
16rehefa avy nandray an-kafaliana ny vahiny manko izy sady niantoka fitovian-jo ho azy, dia nampitambesatra asa an-terivozona taminy tatỳ aoriana.
17Izany no namelezana azy fahajambana, tahaka ny olon’i Sôdôma teo am-baravaran’i Lôta olo-marina: voasaron’ny haizina mikitroka ireto lehilahy ireto no nitsapatsapa nikaroka ny varavaran’ny tranony avy.
Ny hery mahagaga nasehon’Andriamanitra18Na dia samy manana ny feony aza ny tadim-baliha tsirairay avy, dia afaka mirindra kosa hanome feon-kira isan-karazany. Tahaka izany koa no zava-nisy fahizay: nifandrindra amin’ny fomba vaovao ireo singan-javatra. Hita mazava izany, rehefa dinihina ny zava-nitranga tamin’izay;
19ny biby an-tanety nanjary biby anaty rano, fa ny biby mpilomano nandeha an-tanety.
20Vao mainka nirehitra anaty rano ny afo, fa ny rano nanadino ny hamono azy ho faty.
21Tetsy an-daniny kosa ny lelafo dia tsy nahamay akory ny nofon’ireo biby mareforefo izay nivezivezy teo aminy; ary tsy voaempony koa ilay hanina avy any an-danitra, na dia mitovy amin’ny vongan-dranomandry mora miempo aza.
Fankalazana farany22Tompo ô, tamin’ny lafiny rehetra no nataonao lehibe sady nomenao voninahitra ny vahokanao. Tsy mba nataonao tsirambina izy, fa novonjenao mandrakariva hatraiza hatraiza.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.