1Misy zavatra telo izay tiako fatratra tokoa
sady tsara eo imason’Andriamanitra sy ny olona;
dia ny mpiray tampo mifankatia
sy ny mpiara-monina mahay mihavana
ary ny mpivady mahay mifanaraka.
2Olona telo karazana kosa no ankahalaiko,
sady tsy tiako mihitsy ny toe-piainany:
dia ny mahantra miavonavona
sy ny mpanankarena manambaka
ary ny anti-dahy tsy misy saina
ka miliba manitsakitsa-bady.
Zokiolona havana-mananatra3Raha tsy nihary harena ianao fony mbola tanora,
dia hataonao ahoana no fananana rehefa antitra?
4Sahaza tokoa ho an’ny fotsy volo
ny fahaiza-mitsara ara-drariny,
ary ho an’ny loholona ny mahay manoro hevitra.
5Tandrify tokoa ho an’ny anti-panahy ny fahendrena
ary ho an’ny manankaja ny fandinihana amam-pisainana.
6Satroboninahitra ho an’ny anti-panahy
ny efa nisedrany toe-javatra maro
fa ny tena reharehany dia ny fanajana ny Tompo.
Hasambarana mihoatra ny hafa7Misy zavatra sivy heveriko ho fahasambarana
fa mbola misy anankiray fahafolo izay hambarako:
Sambatra ny lehilahy mifaly amin’ny zanany
ary koa izay mbola velona aina no mahita
ny fahapotrahan’ireo fahavalony.
8Eny, sambatra ny lehilahy miara-mitoetra
amina vady mahira-tsaina;
ary koa izay tsara rindra amin’ny vadiny
mihoatra noho ny firindran’ny omby sy ny boriky.
Sambatra ny lehilahy tsy nanota tamin’ny teniny
ary koa izay tsy nanompo olona bado noho ny tenany.
9Sambatra ny lehilahy nahazo famalinana
ary koa izay havanana amin’ny lahateny
ka mahalian-tsofina an’ireo mpihaino.
10Lehibe tokoa ny lehilahy nahazo fahendrena;
kanefa tsy misy mihoatra noho izay manaja ny Tompo!
11Ny fanajana ny Tompo dia mihoatra noho ny
zava-drehetra,
ka iza moa no hampitahaina amin’izay manana izany?
Ny vehivavy ratsy fanahy(Jereo Ben-Sir 9.1-9)13Aleo ratra hafa isan-karazany toy izay ny ratram-po;
aleo haratsiam-panahy hafa isan-karazany
toy izay ny haratsiam-panahin’ny vehivavy.
14Aleo voina hafa isan-karazany
toy izay ny voina afitsok’ireo mpankahala;
aleo famaizana hafa isan-karazany
toy izay ny famaizana ataon’ireo fahavalo.
15Tsy misy poizina ratsy noho ny poizina menarana,
ary tsy misy fahatezerana ratsy
noho ny fahatezeram-behivavy.
16Aleoko miara-monina amin’ny liona na ny dragona
toy izay miara-monina amina vehivavy ratsy fanahy.
17Ny faharatsiam-panahin’ny vehivavy
no mampiova endrika azy
ka mampanjombona ny tarehiny
ho tahaka ny an’ny orsa.
18Mba mandeha ny lahy haka toerana
eo afovoan’ireo mpifanila trano aminy,
ary dia hisento fatratra mandre izany.
19Maivan-danja ny haratsian-toetra hafa isan-karazany,
miolotra amin’ny haratsian-toetran’ny vehivavy;
aoka ny anjaran’ny mpanota no hiantefa aminy!
20Manahirana ho an’ny tongotry ny antitra
ny fiakarana mandrevo fasika;
manahirana toy izany koa ny vehivavy vavana
ho an’ny vadiny bonaika.
21Aza mety sodokan’ny vehivavy bikana,
ary aza mitsiriritra azy noho izy manan-karena.
22Fahatezerana sy fahafaham-baràka ary henatra goavana
no hihatra amin’ny lehilahy velomin’ny vadiny.
23Ny vehivavy ratsy fanahy dia mandrera-po
sy mampalahelo endrika ary mandratra fo;
ny vehivavy izay tsy mahasambatra ny vadiny
dia mampiraviravy tanana sy mampalemy lohalika azy.
24Vehivavy iray no niandohan’ny fahotana
sady anton’ny ahafatesantsika rehetra.
25Aoka ny rano tsy havela ho very fotsiny,
ary aoka ny vehivavy ratsy fanahy
tsy homem-pahefana hiteny akory!
26Raha tsy mandeha araka ny itondranao azy izy,
dia aoka hisarahanao sy horoahinao!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.