Ohabolana 27 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso ianao;

fa izay hiseho anio aza tsy fantatrao akory.

2Aoka ny olon-kafa na ny vahiny no hidera anao,

fa tsy ny tenanao no hisoka-bava hanao izany.

3Mavesatra ny vato ary manan-danja ny fasika;

fa manoatra noho izy roa tonta ny lolom-pon’ny adala.

4Masiaka ny havinirana ary manafotra ny hatezerana,

fa iza no mahajoro eo anoloan’ny fialonana?

5Aleo fampitandremana tsy misorona

toy izay fitia afinafenina.

6Ny tsikera ataon-tsakaiza dia itokiana hahasoa

fa ny oroky ny fahavalo kosa mamitaka.

7Izay voky tsy mahahinan-tantely

fa izay noana kosa mankamamy sakafo mangidy.

8Toy ny vorona miriorio lavitry ny akaniny

ny olona mirenireny lavitry ny fonenany.

9Ny menaka fanosotra sy ny ranomanitra dia mahafaly ny fo

fa ny fahoriana mampisafotofoto ny fanahy.

10Aza mahafoy ny sakaizanao na ny naman-drainao.

Raha tojo fahasahiranana ianao,

aza mankany amin’ny rahalahinao,

fa tsara kokoa ny mpifanila akaiky

noho ny rahalahy lavitra.

11Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko

mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.

12Mahatsinjo ny loza ny malina ka miery,

fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.

13Raha misy olona sahy miantoka trosan’olona vahiny,

dia tano ny akanjony ho antoka ny amin’io olon-tsy fantatra io.

14Izay manaitra namana vao maraina be

satria niarahaba azy tamim-peo mahery

dia tahaka ny manozona azy.

15Ny vehivavy tia ady dia toy ny fantsona

izay tsy mitsaha-mitete amin’ny andro manorana,

16izay misakana azy dia toy ny misakan-drivotra

na mamihina menaka amin-tanana ila.

17Ny vy no andranitana ny vy;

dia toy izany koa ny olona ihany

no andranitana ny sain’olon-kafa.

18Izay mikolokolo ny aviaviny hihinana ny voany

ary izay mikarakara ny tompony homem-boninahitra.

19Tahaka ny itarafanao ny tandindonao anatin’ny rano

no itarafanao ny tenanao anatin’ny fonao.

20Tsy mba mety voky ny fonenan’ny maty

ary tsy mba mety afa-po ny mason’olombelona.

21Misy ny memy fisedrana ny volafotsy

ary ny fatana fandrendrehana ny volamena,

fa ny lazany kosa no itsarana ny olona.

22Na dia totoinao toy ny vary an-daona aza ny adala,

dia tsy ho afaka aminy akory ny hadalàny.

23Fantaro tsara ny toetoetry ny ondry aman’osinao

ary tandremo fatratra ireo biby fiompinao;

24satria ny harena akory tsy haharitra mandrakizay

ary ny satroboninahitra tsy hateza

hampitaina amin’ny taranaka mifandimby.

25Tapaho ny ahitra eny an-tsaha,

ka mandritra ny itsiran’ny solofony,

dia angony ny vilo-maina eny an-tendrombohitra.

26Manàna ondry hahazoanao fitafiana,

manàna osilahy hahafahanao mividy saha;

27ary hanome ronono be ny osivavinao

ka hisy hamelomanao ny tenanao

sy ny ankohonanao ary ny mpanompovavinao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help