1 Haleloià!
Miderà ny anaran’ny TOMPO ianareo.
Miderà Azy ianareo mpanompony
2izay mitoetra ao an-tranony,
ao an-kianjan’ny tranon’Andriamanitsika.
3Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy;
mankalazà ny anarany fa mamy izany,
4satria i Jakôba nofidîn’ny TOMPO ho Azy
ary i Israely natokany ho fananany.
5Eny, fantatro fa lehibe ny TOMPO;
ary ekeko fa izany Tompontsika izany
dia ambonin’ny andriamanitra rehetra.
6Izay sitraky ny TOMPO, ataony avokoa
na any an-danitra na etỳ an-tany,
na any an-dranomasina
sy any an-drano lalimbe.
7Nampiakatra rahona avy any am-paran’ny tany Izy,
ka nanao helatra narahin-dranonorana
ary namoaka ny rivotra
avy tamin’ny fitahirizany azy.
8Namely ny lahimatoan’ny Ejiptianina Izy,
hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby.
9Famantarana sy zava-mahagaga
no nalefany teo anivonao, ry Ejipta,
mba hanafaizana ny Farao
sy ireo mpanompony rehetra.
10Namely hafa firenena maro Izy
sy nahafaty mpanjaka mahery,
11dia i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita
sy i Hôga mpanjakan’i Basàna
,ary namely ny fanjakana rehetra
izay manerana an’i Kanahàna.
12Ny tanin’ireny nomeny ho lova,
ho lovan’i Israely vahoakany.
13TOMPO ô, maharitra mandrakizay ny lazanao;
amin’ny taona rehetra ny fahatsiarovana Anao,
14satria omenao rariny ny vahoakanao
ary iantranao indray ny mpanomponao.
15Ny sampin’ny hafa firenena
dia volafotsy amam-bolamena;
zavatra notefen’olombelona ireny.
16Manam-bava fa tsy miteny;
mana-maso fa tsy mahita;
17manan-tsofina fa tsy mandre;
tsy misy fofonaina akory ao am-bavany.
18Ho tahaka azy anie izay nanao azy
sy izay rehetra mitoky aminy!
19Ry fokon’i Israely ô, misaora ny TOMPO;
ry taranak’i Aharôna
ô, misaora ny TOMPO;20ry tariky ny levita ô, misaora ny TOMPO;
ry mpanaja ny TOMPO ô, misaora ny TOMPO.
21Hisaorana avy ao Tsiôna anie ny TOMPO,
Izay monina ao Jerosalema! Haleloià!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.