1Nilazana i Hôlôferna, komandy faratampon’ny tafika asirianina, fa mivonon-kiady ny Israelita: nohidiany ny lalana mankany amin’ny faritra be tendrombohitra, nasiany manda ny tampon-tendrombohitra rehetra, ary nametrahany fandripandrika teny amin’ny lemaka.
2Nirehi-pahatezerana mafy dia mafy i Hôlôferna; ary niantso ny lehibe môabita rehetra sy ny mpitari-tafika hamônita mbamin’ny governora rehetra tamin’iny morontsiraka iny izy,
3ka niteny taminy hoe:
–Ry Kanahanita, lazao ahy: Iza izao vahoaka monina ao amin’ny faritra be tendrombohitra ao izao? Inona no tanàna itoerany? Ahoana ny hamaroan’ny tafiny? Ahoana ny hery sy tanjaka ananany? Iza no mpanjaka mifehy ny miaramilany?
4Nahoana no izy ireo ihany, amin’ny mponina rehetra andrefan’i Eofrata, no tsy nanaiky hitsena ahy?
Ny lahatenin’i Akiôra5Dia i Akiôra, mpifehy ny Hamônita, no namaly an’i Hôlôferna hoe:
–Raha sitrakao, tompoko, ny hihaino ahy mpanomponao miteny, dia holazaiko aminao ny momba io vahoaka monina ao amin’ny faritra be tendrombohitra io sady akaikin’ny tobinao. Tsy hisy diso na dia iray aza ny teniko.
6Io vahoaka io dia taranak’olona kaldeanina.
7-8Tsy te hanompo intsony ireo andriamanitry ny razany tafaorina tao Kaldea izy ary niala tamin’ny fombam-pivavahana nentim-paharazana, ka nanompo an’ilay Andriamanitry ny lanitra, izay hany nankatoaviny ho Andriamanitra. Izany no nandroahana azy ho lavitr’ireo andriamaniny fahiny ireo; ka lasa izy aloha nandositra tany Mezôpôtamia avaratra sy niorim-ponenana elaela teo.
9Avy eo nodidian’ilay Andriamaniny izy mba handao izany faritra izany sy handeha any Kanahàna; dia niorim-ponenana teo izy ka nampitombo ny volamena sy volafotsy ary andiam-biby fiompy nananany.
10Taty aoriana, dia nisy mosary nihanaka eran’i Kanahàna. Ka voatery nidina tany Ejipta sy niorim-ponenana tao ry zareo, satria tao no nisy sakafo hivelomany; dia nanjary vahoaka marobe izy, ka tsy tambo isaina ny taranany.
11Fa nitsangan-kanohitra azy ny mpanjakan’i Ejipta, ka nampiasa hevi-petsy hambotriana azy tamin’ny asa mafy fanaovam-biriky. Nampietrena izy ary nentina tahaka ny mpanompo.
12Niantsoany vonjy koa ilay Andriamaniny, ka namely an’i Ejipta manontolo tamin’ny loza tsy nisy fanafana. Dia nandroaka azy ny Ejiptianina;
13fa Andriamanitra kosa nanamaina ny Ranomasina Mena teo anoloany
14ary nitari-dalana azy ho any Sinay sy Kadesy-Barnea. Dia nampandositra ny olona rehetra nonina tany an-taniefitra io vahoaka io
15ary nanan-kery handringanana ny Hesbônita rehetra, ka nisy niorim-ponenana teo amin’ny tanin’ny Amôrita. Avy eo izy dia nita ny ony Jôrdàna ary naka ny faritra be tendrombohitra ho fananany,
16ka nandroaka teo anoloany ny Kanahanitra sy ny Perizita mbamin’ny Jebosita sy ny Sekemita ary ny Girgasita rehetra; dia niorim-ponenana ela izy tao amin’io tany io.
17Raha mbola tsy nanota tamin’ilay Andriamaniny izy, dia nombam-panambinana, satria Andriamanitra tsy tia ratsy io miaraka aminy io.
18Fa rehefa nihatahany kosa ny sori-dalana nomeny azy, dia ringana olona betsaka tokoa izy tamin’ny ady maro, ary nentina ho babo any an-tany hafa. Rava ny tempolin’ilay Andriamaniny ary nalaim-pahavalo ireo tanànany.
19Izao kosa, rehefa nody indray tamin’Andriamaniny io vahoaka io ka tafaverina avy tany amin’ny toerana nielezany, dia notanany hipetrahana indray i Jerosalema izay misy ny Toeramasiny ary nonenany indray ny faritra be tendrombohitra izay tavela ho taniefitra.
20Ankehitriny àry, tompoko, raha misy hadisoana eo amin’io vahoaka io ka nanota tamin’ilay Andriamaniny izy sady hitantsika fa nisy zavatra nahasolafaka azy tokoa, dia ndeha isika hiakatra hiady aminy.
21Fa raha tsy misy fandikàn-dalàna eo amin’io firenena io, tompoko, dia avelao izy ho eo, fa hiaro azy ny Tompo Andriamaniny ka ho afa-baràka eo anatrehan’ny tany tontolo isika.
Nomelohin’i Hôlôferna i Akiôra ary natolony tamin’ny Israelita22Vao nitsaha-niteny i Akiôra, dia nimonomonona ny olona rehetra nanodidina ny tranolain’ny komandy faratampony; ireo manamboninahitr’i Hôlôferna sy ireo governora rehetra avy amin’iny morontsiraka iny sy avy any Môaba dia nomba ny hamonoana ho faty an’i Akiôra sady niteny hoe:
23–Tsy hatahorantsika velively ny Israelita. Jereo fa tsy manana hery na fitaovana izy hiatrehana ady mangotraka.
24Noho izany, ndeha isika hiakatra hamely azy, tompoko, fa mora foana no handresen’ny tafikao manontolo azy, ry Hôlôferna.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.