1Nony ren’i Jabîna mpanjakan’i Hatsôra ny fandresen’i Josoa, dia nandefasany iraka i Jôbaba mpanjakan’i Madôna sy ny mpanjakan’i Simrôna ary ny mpanjakan’i Aksafa.
2Nandefasany iraka ihany koa ireo mpanjaka izay any an-tendrombohitra any avaratra sy ireo mpanjaka tany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna eo atsimon’ny farihin’i Genesareta, ary ireo mpanjaka teny amin’ny lemak’i Sefelà sy teny amoron-tsiraka akaikin’i Dôra ao andrefana.
3Nandefasan’i Jabîna iraka ihany koa ny Kanahanita tany atsinanana sy andrefan’i Jôrdàna, ny Amôrita sy Hetita ary ny Perizita sy Jebosita tany an-tendrombohitra, ary ireo Hivita nonina tany am-pototr’i Hermôna, tany amin’ny faritanin’i Mitsepà.
4Dia niainga ireo mpanjaka rehetra ireo, niaraka tamina miaramila tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina ary soavaly sy kalesy maro dia maro.
5Nifanaraka izy rehetra ka tonga niara-nitoby teo akaikin’ny loharanon’i Merôma mba hiady amin’ny Israelita.
6Fa hoy ny TOMPO tamin’i Josoa:
–Aza matahotra an’ireo ianao; fa rahampitso amin’ny ora toy izao, dia hatolotro ho fatin-dratra eo anatrehan’ny Israelita izy rehetra ireo. Koa traingoy ny soavaliny ary dory amin’ny afo ny kalesiny.
7Dia lasa i Josoa sy ny tafiny manontolo hamely tampoka ny fahavalo tao akaikin’ny loharanon’i Merôma, ka niantoraka taminy.
8Natolotry ny TOMPO teo an-tanan’ny Israelita ireo ka resiny, nenjehiny nianavaratra hatrany Sidôna tanàn-dehibe sy hatrany Misrefôta-Maîma ary hatrany amin’ny lohasahan’i Mitsepà any atsinanana. Nasian’ny Israelita ireo ka tsy nisy niangana.
9Araka izay nolazain’ny TOMPO no nataon’i Josoa taminy, ka notraingoiny ny soavalin’ireo ary nodorany tamin’ny afo ny kalesiny.
Ny fahazoana an’i Hatsôra10Rehefa niverina i Josoa, dia naka an’i Hatsôra satria i Hatsôra no renivohitr’ireo fanjakana tany avaratra. Novonoiny tamin’ny sabatra ny mpanjakany
11ary nasainy naringana avokoa ny olona rehetra tao; tsy nisy zava-manana aina niangàna mihitsy, sady nodorana ny tanàna.
12Ary nalain’i Josoa koa ny tanànan’ireo mpanjaka hafa rehetra mbamin’ny fanjakany, ka naringany tamin’ny sabatra ireo mpanjaka sy ny mponina rehetra isan-tanàna, araka izay efa nandidian’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO.
13Kanefa ireo tanàna rehetra niorina teny amin’ny havoana dia tsy mba nodoran’ny Israelita, afa-tsy i Hatsôra irery izay nasain’i Josoa nodorana.
14Ary norobain’ny Israelita ho azy avokoa ny zavatra rehetra tao amin’ireo tanàna an-kavoana ireo mbamin’ny biby fiompy, fa ny olona rehetra ihany no naringany tanteraka tamin’ny sabatra ka tsy nisy niangana.
15Izay baiko rehetra nomen’ny TOMPO an’i Mosesy mpanompony dia nampitainy tamin’i Josoa; ka izany no nataon’i Josoa tsy nisy namelany.
Faranan’i Josoa ny fakàna ny tany16Dia azon’i Josoa avokoa ilay tany: dia ny faritra be tendrombohitra sy i Negeba manontolo any atsimo, ny faritr’i Gôsena manontolo, ny lemak’i Sefelà, ny lohasahan’i Jôrdàna, ary ny faritra misy tendrombohitra sy lemaka any avaratra.
17Resin’i Josoa ary novonoiny ireo mpanjaka nipetraka teo anelanelan’ilay tendrombohitra ngazana miakatra ho any Sehira ao atsimo sy i Bahala-Gada eo amin’ny lohasahan’i Libano am-pototry ny tendrombohitra Hermôna any avaratra.
18Naharitra ela ny ady nataon’i Josoa tamin’ireo mpanjaka rehetra ireo.
19Tsy nisy tanàna nanaovan’ny Israelita fanekempihavanana afa-tsy i Gibehôna izay nonenan’ny Hivita; fa ireo tanàna hafa rehetra dia nalainy tamin’ny ady avokoa.
20Ny TOMPO manko no nahatonga azy ireny ho mafy fo ka hihantsy ady tamin’ny Israelita mba handringanana azy tanteraka tsy misy indrafo, satria tsy maintsy naringana ireny araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
21Tamin’izany fotoana izany koa i Josoa no nandeha niady tamin’ny Hanakita rehetra izay tany amin’ny faritra be tendrombohitra, dia tany Hebrôna sy Debira ary Hanaba mbamin’ny havoan’i Joda sy i Israely manontolo. Nasain’i Josoa naringana avokoa izy sy ny tanànany
22ka tsy nisy Hanakita tavela intsony teo amin’i Israely, afa-tsy tao Gazà sy Gata ary Asdôda.
23Dia azon’i Josoa avokoa ilay tany, araka izay rehetra efa nambaran’ny TOMPO tamin’i Mosesy; ary nomen’i Josoa ho fananan’ny Israelita izany ka nozarazarainy araka ny fokony avy. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.