Levitîka 18 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fitandroana ny hasin’ny fanambadiana

1Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO

2mba hamepetra ny Israelita hoe:

«Izaho no TOMPO Andriamanitrareo!

3Aza manao araka ny fanaon’i Ejipta izay tany nonenanareo; aza manao araka ny fanaon’i Kanahàna izay tany efa hampidirako anareo; ary aza manaraka ny lalànan’ireny firenena ireny ianareo.

4Ny fitsipiko no tanteraho, ary ny lalànako no imasoy harahina. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

5«Tandremo ny lalàna amam-pitsipiko; fa izay manatanteraka izany, dia ho velona amin’izany. Izaho no TOMPO.

6«Aoka tsy hisy lehilahy israelita hila vehivavy havany akaiky dia akaiky mba hiray aminy. Izaho no TOMPO.

7«Aza miray amin’ny reninao ianao, fa manala baràka ny rainao izany; reninao izy ka aza ifoteranao.

8«Aza miray amin’ny renikelinao fa manala baràka ny rainao izany.

9«Aza miray amin’ny anabavinao zanakavavy nentin-drainao na nentin-dreninao, ka nobeazina tao an-trano fonenana na tany an-kafa.

10«Aza miray amin’ny zafinao vavy, nateraky ny zanakalahinao na ny zanakavavinao, fa manala baràka anao izany.

11«Aza miray amin’ny zanakavavin’ny renikelinao, satria anabavinao izy noho ny rainao manjary rainy.

12«Aza miray amin’ny anabavin-drainao, satria havan-drainao akaiky dia akaiky izy.

13«Aza miray amin’ny rahavavin-dreninao, satria havan-dreninao akaiky dia akaiky izy.

14«Aza alaim-baràka ny rahalahin-drainao noho ny firaisanao amin’ny vadiny, izay nenitoanao.

15«Aza miray amin’ny vinantovavinao, fa vadin’ny zanakalahinao izy.

16«Aza miray amin’ny vadin-drahalahinao, fa manala baràka ny rahalahinao izany.

17«Aza miray amin’ny vehivavy anankiray no sady hiray amin’ny zananivavy na koa hiray amin’ny zafikeliny vavy, nateraky ny zananilahy na zananivavy, satria mpihavana akaiky ilay vehivavy sy ny zanaka aman-jafiny ka firaisana mampifamotitra izany.

18«Aza mampakatra ny rahavavim-badinao raha mbola velona ilay vadinao, satria hampifandrafy azy mirahavavy izany.

19«Aza mila vehivavy mbola voaloton’ny fadimbolany mba hiray aminy.

20«Aza miray amin’ny vadin’olona mpiray firenena aminao, satria ho voaloton’izany ianao.

21«Aza misy omena hatao sorona dorana hanajana ny sampy Môlôka ny zanakao, satria manala baràka ny anaran’Andriamanitrao izany. Izaho no TOMPO.

22«Aza miray amin’ny lehilahy tahaka ny firay amin’ny vehivavy; zava-mamoafady izany.

23«Aza miray amin’ny biby, satria ho voaloton’izany ianao; ary aoka tsy hisy vehivavy hety hiray amin’ny biby, fa zava-mamoafady indrindra izany.

24«Aza misy andotoanareo tena ireo zavatra ireo; fa tamin’ireo no nandoto tena ny hafa firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo.

25Voaloto mbamin’ny tany aza, ka novaliako ny helony ary naloany ny mponina teo aminy.

26«Noho izany, ianareo Israelita tompontany na vahiny valovotaka eo aminy, dia tandremo ny lalànako amam-pitsipiko, ka aza misy atao ireo zava-mamoafady ireo.

27Fanaon’ny olona talohanareo tao amin’ny tany Kanahana ireo, ka dia naloto ny tany.

28Aza lotoinareo indray ny tany mba tsy handoavany anareo tahaka ny efa nandoavany an’ireo firenena izay tao talohanareo.

29Hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita manko izay rehetra manao amin’ireo zava-mamoafady ireo.

30«Koa tandremo izay asaiko tandremanareo mba tsy hisy hataonareo akory ny fomba mamoafady izay fanaon’ny olona talohan’ny fahatongavanareo; ka aza mandoto tena amin’izany ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help