Jodita 4 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nioman-kanohitra an’i Hôlôferna ny Jiosy

1Ren’ireo Israelita nonina tao Jodea ny zavatra rehetra nafitsok’i Hôlôferna, filohan-tafik’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Asiria, tamin’ny firenen-kafa, indrindra ny nandrobany sy nandravany ny trano fivavahana rehetra.

2Raiki-tahotra mafy tokoa ny Israelita hiatrika io Hôlôferna io ary nitebiteby ny amin’i Jerosalema sy ny tempolin’ny Tompo Andriamaniny.

3Vao tsy ela akory no niverenany avy any an-tsesitany; ary vao haingana no nahatafavory azy tao Jodea sy nanokanany indray ny tempoly sy ny fanaka mbamin’ny alitara fisoronana, taorian’ny fanimbazimbana nihatra taminy.

4Nandefa iraka tany amin’ny faritr’i Samaria manontolo ny Israelita, izany hoe tao Kônà sy Bety-Hôrôna ary Abela-Maîma; nandefasany koa hatrany Kôlà sy Hatsôra ary tao amin’ny lohasahan’i Salema;

5notazoniny ny tampon-tendrombohitra rehetra ary nohamafisiny ny tanàna teny an-kavoana. Nanao tahirin-tsakafo izy ho an’ny famatsiana mandritra ny ady, satria vao tsy ela no nijinjany ny sahany.

6I Jôakima, tamin’izany andro izany, no mpisorombe tao Jerosalema. Nanoratan’io Jôakima io ny mponina tao Betoka sy tao Betomestaîma, izay tanàna teo anoloan’i Jizrehela sady tandrifin’ny lemak’i Dôtàna.

7Nodidian’ilay mpisorombe izy hitazona ireo lalana mianika ny tendrombohitra, satria ireo lalana ireo no fidirana mankany Jodea. Mora sakanana izay te handalo, satria tery dia tery ny lalana ka olona roa ihany no omby azy.

8Ny Iraelita koa dia nanao araka ny notakîn’ilay mpisorombe sy ny antenimieran’ireo loholom-bahoaka, izay tao Jerosalema no foibeny.

9Tamin-kafanampo lehibe no niantsoan’ny lehilahy israelita tsirairay vonjy tamin’Andriamanitra; ary tamin-kafanampo lehibe no nanaovany fifadian-kanina,

10dia ny tenany sy ny vady aman-janany ary ny biby fiompiny. Ny vahiny tao aminy sy ny mpiasany ary ny mpanompony kosa dia samy nitafy lambam-pisaonana.

11Ny mponin’i Jerosalema, na lehilahy na vehivavy na ankizy dia samy niankohoka teo anoloan’ny Toeramasina, ka nihosin-davenona ny lohany ary lambam-pisaonana no nitafiany, fony izy niatrika ny Tompo;

12ary nanodidina ny alitara koa dia namelarany lasaka hialany sasatra. Samy nafana fo izy indray niantso vonjy tamin’ilay Andriamanitr’i Israely mba tsy hamela ny fahavalo hipaoka ny ankizy na haka an-kery ny vehivavy na handrava ireo tanàna izay nomeny holovan’ny vahoakany. Niantso vonjy taminy koa izy mba tsy hamela ny hafa firenena hanimbazimba sy haniratsira ny Toeramasina.

13Dia nihaino ny tarainan’ireo Israelita ny Tompo ary nahita ny fahoriany. Mbola nifady hanina hatrany ny vahoaka nandritra ny andro maro eran’i Jodea ary koa tao Jerosalema teo anoloan’ny Toeramasin’ilay Tompon’izao rehetra izao.

14I Jôakima mpisorombe mbamin’ny mpisorona rehetra ary ny olona rehetra nanao fanompoana ny Tompo dia samy nanao akanjom-pisaonana no nanolotra tamin’Andriamanitra ny sorona dorana manontolo fanao isan’andro sy ny fanatitra ary ny fanomezana an-tsitrapo avy amin’ny vahoaka.

15Nasian’izy rehetra lavenona ny fehiloha ary ny heriny manontolo no niantsoany vonjy tamin’ny Tompo mba hirotsahany hanasoa ny vahoaka Israely tsivakivolo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help