Isaià 38 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Sitrana tamin’ny aretina i Hezekià(Jereo 2 Mp 20.1-11)

1Tamin’izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany, zanakalahin’i Amôtsa, ary nilaza taminy ny tenin’ny TOMPO hoe: «Ataovy ny fara hafatrao amin’ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.»

2Dia nitodika tany amin’ny rindrina i Hezekià ka nivavaka tamin’ny TOMPO,

3ary nanao hoe: «TOMPO ô, mba tsarovy fa nandeha tamim-pahamarinana sy tamin-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao!» Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià.

4Ary nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Isaià nandidy

5handeha hilaza amin’i Hezekià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao, ka hampiako 15 taona ny andro hiainanao.

6Ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria; ary ity tanàna ity dia harovako noho ny amin’ny tenako sy i Davida mpanompoko.»

21Ary nampaka ampempan’aviavy i Isaià mba hapetaka eo amin’ny vay ka hahasitrana ny mpanjaka.

22Dia hoy i Hezekià taminy: «Inona no famantarana fa afaka hiakatra ao an-tranon’ny TOMPO aho?»

7Dia novaliany hoe: «Izao no famantarana omen’ny TOMPO anao mba hahalalanao fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy.

8Ny tohatr’i Ahaza, izay azon’ny masoandro anikeheo, dia efa nidinan’ny aloka; indro fa hampihemorin’ny TOMPO ambaratonga folo izany aloka izany.»

Dia azon’ny masoandro indray ny ambaratonga folo izay efa nidinan’ny aloka teo.

Vavaka nataon’i Hezekià taorian’ny fahasitranany

9Ity tononkalo ity dia nosoratan’i Hezekià mpanjakan’i Joda, rehefa avy narary izy ka sitrana tamin’ny aretiny:

10Hoy aho anakampo hoe:

Amin’izao andro mbola iadanako izao

no tsy maintsy hahalasanako!

Eo am-baravaran’ny fonenan’ny maty

no hamaranako ny taonako sisa rehetra.

11Hoy koa aho hoe: Tsy hahita ny TOMPO intsony aho

eto amin’ny tanin’ny velona;

ary any amin’ny fiafaran’ny zavatra rehetra

dia tsy hahita endrik’olona intsony aho.

12Fa nongotanao ny fonenako

ka nafindranao lavitra ahy

toy ny lain’ny mpiandry ondry.

Ahoronao toy ny tenona ny fiainako

ka efa ho tapaka ny haraka.

–Indray andro monja, TOMPO ô

no anaperanao ny aiko;

13ka alohan’ny maraina,

dia ho vita ny amiko.–

Toy ny liona mihitsy ny TOMPO

nanapatapaka ny taolako rehetra.

–Indray andro monja, TOMPO ô,

no anaperanao ny aiko.–

14Koa mikiakiaka toa sidintsidina aho

ary mitoloko toa voromahailala.

Tsy mahajery lanitra intsony ny masoko,

–Tompo ô, tena trotraka aho,

ka aoka mba hiantohanao.–

15Inona àry no holazaiko

sy hoteneniko amin’ny TOMPO?

Eny, Izy no nanao an’izao.

Handeha mijoretra aho

amin’ny taonako sisa rehetra

fa mangidy amiko loatra izao.

16–TOMPO ô, fantatrao izay nanjo ahy

ka namelona ahy indray Ianao;

naverinao ny heriko

ary notahirizinao ny aiko.

17Indro niova ho fahasambarana

ilay fahoriako nangidy dia nangidy.

Fatra-pitia ahy Ianao ka tsy namela ahy ho faty;

fa narianao any ivohonao ny heloko rehetra.

18Any amin’ny fonenan’ny maty tokoa

dia tsy misy afaka midera Anao;

ireo nindaosin’ny fahafatesana

tsy mba afaka mankalaza Anao;

izay tafidina any am-pasana

tsy hanantena ny toetranao mahatoky.

19Ny velona ihany no afaka hidera Anao,

dia tahaka ahy izao anio izao

sy tahaka ireo ray aman-dreny

izay hampahalala ny zanany

fa tena mahatoky tokoa Ianao.

20TOMPO ô, efa namonjy ahy Ianao.

Koa hankalaza Anao izahay

miaraka amin’ny feon-dokanga

ao an-tranonao, TOMPO ô,

amin’ny androm-piainanay rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help