1–Miverena, miverena, ry Solemita;
miverena, miverena hijerenay anao.
–Nahoana ianareo no mijery ilay Solemita,
toy ny mijery ny dihin’ny roa tonta?
(Ralehilahy)2Endrey, ry ilay zanakavavin’olom-banona,
ny hatsaran’ny tongotrao mikapa!
Ny amboampenao dia toa fehivozona
izay sangan’asan’ny mpahay taozavatra.
3Ny foitranao dia miendrika kaopy boribory;
tsy ho diso divay nolaroin-java-manitra anie izany.
Ny kibonao dia toa antontam-barimbazaha
izay voaravaka lisy manodidina.
4Ny nononao roa dia hoatra zana-gazela,
dia gazela kambana mbola tanora.
5Ny vozonao dia toa tilikambo ivoary.
Ny masonao dia manahaka
ireo kamory any Hesbôna,
eo am-bavahadin’i Baty-Rabima.
Ny oronao dia maranidranitra
tahaka ilay Tilikambon’i Libano
izay mpiambina tandrifin’i Damasy.
6Eo ambonin’ny tenabenao,
ny lohanao dia meva fisandratra
tahaka ny tendrombohitra Karmela;
ny volon-dohanao dia sady mivolomparasy
no olioly mambabo ny mpanjaka.
7Tsara tarehy sady mahafinaritra tokoa ianao,
ry tiako sy vehivavy loharanon-kasambarako.
8Izato tsangananao dia matsoraka
tahaka ny hazo palma;
ary ireo nononao
dia toa sampahom-boaloboka.
9Izany no mampiteny ahy hoe:
«Hianika ny hazo palma aho
ka handray ny rantsany.»
Enga anie ireo nononao
ho toa sampahom-boaloboka ho ahy;
enga anie ny hanitry ny fofonainao
hamerovero tahaka ny paoma,
10ary ny vavanao hankafiziko
tahaka ny divay tsara...!
(Ravehivavy)...eny, divay tsara voatokana ho an’ny malalako
ary hisoko amin’ny molotray rehefa matory.
11An’ny malalako aho
ary ho amiko ny faniriany.
Sambatra fa tiana (Ravehivavy)12Avia, ry malalako,
ndeha isika ho any an-tsaha
ka hialina eny anivon’ny voninkazo dia.
13Hankany an-tanimboaloboka isika,
dieny vao maraina ny andro,
hijery raha mitsimoka ny voaloboka
na efa mivelatra ny voniny,
ary mamelana ny ampongabendanitra.
Any no hanomezako safosafo anao.
14Mihanaka ny hanitry ny paomam-pitiavana.
Ary eo am-baravarantsika avokoa
ireo voankazo matsiro, na ny vao na ny ela;
samy atokako ho anao ireny, ry malalako.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.