1Tamin’izay i Antiôkôsa mpanjaka dia nitety ireo faritra avo ka nandre fa hoe ao Elimaîda, any Persia, dia misy tanàna anankiray malaza ho manan-karena, be volafotsy sy volamena;
2io tanàna io dia manana tempoly feno zava-tsarobidy sady mirakitra fitaovana volamena fitondra an’ady sy akanjo vy fiarovan-tena ary fiadiana izay navelan’i Aleksandra zanakalahin’i Filipo sy mpanjaka masedônianina nanjaka voalohany tamin’ny Grika.
3Dia nankany amin’ilay tanàna i Antiôkosa ka nitady haka sy hambabo azy, kanjo tsy nahomby. Nahalala ny fikasany manko ireo tompon-tanàna,
4ka nitsangan-kiady taminy; dia vaky nandositra ity mpanjaka, sady nihataka tamin’alahelo lehibe mba hiverina any Babilôna.
5Tamin’izay no nisy iraka tonga tany Persia nilaza tamin’i Antiôkôsa ny faharesen’ireo miaramila nalefa tany Jodea.
6Nandroso nitondra tafika matanjaka dia matanjaka i Lisià, kanefa voatery nandositra teo anoloan’ny Jiosy; ireo kosa nampitombo hery tamin’ny fiadiana sy fitaovam-panafihana ary babo azony tamin’ny tafika izay resiny tanteraka.
7Noravany ilay zava-mahatsiravina natsangan’ny mpanjaka teo ambonin’ny alitara fisoronana tao Jerosalema; nohodidininy manda avo toy ny taloha indray ny tempoly; ary nohamafisiny toy izany koa i Bety-Tsoro, anankiray amin’ireo tanànan’i Antiôkôsa.
8Rehefa nandre izany vaovao izany ny mpanjaka, dia azon-tahotra mafy sy notsindrian-tebiteby lozan-tany, ka nandraiki-mararin’alahelo sy nidaboka teo amin’ny fandriany, satria tsy araka ny naniriany azy ny fandehan-javatra.
9Andro maro izy teo ihany, ary nihonaka lava nianjadian’ny fahorian-tsaina lalina; ary noheveriny fa efa antomotra ny hahafatesany.
10Dia niantso ireo rehetra nomeny anarana hoe «sakaizan’ny mpanjaka» izy sy nilaza taminy hoe:
–Tsy afa-matory intsony aho sady rera-po azon’ny tebiteby,
11ka hoy aho anakampoko: Alahelo lehibe manao ahoana ity mahazo ahy, ary onja goavana manao ahoana ity ihitsohako ankehitriny? Kanefa sambatra sy notiavina aho, fony aho mbola nahery fahefana.
12Saingy tsaroako izao ny ratsy nataoko tany Jerosalema; fa nentiko avokoa ny fanaka volamena sy volafotsy izay tao, ary nisy tafika nalefako mba handringana tsy amin’antony ny mponina rehetra tany Jodea.
13Koa fantatro fa noho izany no niharan’izao loza izao amiko; ary indro aho fa ho faty amin’alahelo lehibe aty an-tanin’olona aty.
14Dia nantsoin’i Antiôkôsa i Filipo, izay anankiray amin’ireo «sakaizan’ny mpanjaka», ary notendreny hitondra ny fanjakany manontolo.
15Nomeny azy ny satroboninahiny sy ny fanamiany ary ny peratra misy fitomboka; nasainy koa izy hampianatra an’i Antiôkôsa zanany lahy sy hanabe azy hitondra ny fanjakana.
16Dia maty teo amin’izany toerana any Persia izany i Antiôkôsa mpanjaka, tamin’ny taona faha-149.
17Rehefa ren’i Lisià ny nahafatesan’ny mpanjaka, dia natsangany handimby azy i Antiôkôsa zanany lahy, izay notezainy hatramin’ny fahazazàny sy nomeny fanampin’anarana hoe Eopatôra.
Nataon’i Joda fahirano ny toera-mafin’i Jerosalema18Ny miaramila izay tao amin’ny toera-mafin’i Jerosalema dia nisakana ny Israelita tsy hivezivezy manodidina ny tempoly sy nanao mandrakariva izay hahasosotra azy ary nitady kosa izay hanamafisan-toerana ny hafa firenena.
19Tapa-kevitra i Joda Makabeo ny handringana ireo miaramila ireo, ka namory ny tafiny manontolo hanao fahirano azy.
20Dia nivory izy rehetra ary nanao fahirano ilay toera-mafy, tamin’ny taona faha-150; nanorenany tilikambo fandefasam-bato teo ary koa milina fandrobahan-drindrina.
21Kanefa nisy afa-nandositra ihany ireo fahavalo natao fahirano sady nisy Israelita vitsivitsy mpankahala fivavahana koa niara-dia taminy
22nankany amin’ny mpanjaka Antiôkôsa Eopatôra ka nilaza taminy hoe:
–Miandry mandra-pahoviana ianao vao hampihatra famaizana amin’ny fahavalonay ary hamaly ny ratsy natao tamin’ny namanay?
23Nilatsaka an-tsitrapo tamin’ny fanompoana an-drainao izahay, ka nanefa izay nolazainy ary nanatanteraka ny didiny.
24Izany no nahatonga ny mpiray firenena aminay ho fahavalonay; izay rehetra anisanay ka tafalatsaka eo an-tanany dia voavono ho faty avokoa ary voaroba fananana.
25Ary tsy izahay ihany no naninjirany tanana, fa faritany rehetra mifanolotra aminay koa.
26Indro mitoby eo anoloan’ny toera-mafin’i Jerosalema izy ankehitriny ka mikendry hahazo azy; ary efa nohamafisiny rahateo ny tempoly ary koa ny tanàna Bety-Tsoro.
27Raha tsy sakananao faingana izy, dia handroso hatrany ka tsy ho azonao tohaina intsony.
Niady tamin’ny Jiosy ny mpanjaka Antiôkôsa faha-5(Jereo 2 Mak 13.1-17)28Nentin-katezerana i Antiôkôsa mpanjaka, rehefa nandre izany; ka nantsoiny avokoa ny «sakaizan’ny mpanjaka» sy ny mpitari-tafika mbamin’ireo mpifehy ny mpitaingin-tsoavaly.
29Tonga teo aminy koa ny miaramila mpikarama, avy amin’ny fanjakana hafa sy avy amin’ny nosin-dranomasina.
30Izao no isan’ny tafiny: miaramila an-tongotra andiany zato, mpitaingin-tsoavaly andiany roapolo, ary elefanta zatra ady 32.
31Nandroso nihazo an’i Idomea ny mpanjaka sy ny tafiny, dia nanao fahirano an’i Bety-Tsoro ka niady andro maromaro teo; namboatra milina fandrobahan-drindrina ireo, fa nivoaka ny tanàna ny Jiosy ka nandoro ireny ary nanohitra tamin-kerimpo lehibe.
32Tamin’izay i Joda no nandao ny fahiranon’ny toera-mafin’i Jerosalema ka lasa nitoby tao Bety-Zakarià, tandrifin’ny tobin’ny mpanjaka.
33Nifoha vao maraina i Antiôkôsa, ka nampiainga tampoka ny tafiny hihazo ny lalana mankany Bety-Zakarià; ary nivonon-kamely sy nampaneno trômpetra ny miaramilany.
34Norosoany ranom-boaloboka sy ranom-boaroihazo miangaro koa ny elefanta mba harisika hiady.
35Nozaraina hatao eo afovoan’ny antoko miaramila ireo biby ireo, ka isan’elefanta dia notronin’ny miaramila vondron-tafika iray samy manana akanjo vy fiarovan-tena sy satroka halimo; ary nisy mpitaingin-tsoavaly dimanjato voafantina nilahatra teo anilan’ny elefanta tsirairay.
36Ireo an-tsoavaly ireo dia raikitra mandrakariva ho eo amin’izay misy ilay biby; izay alehan’io no alehan’ireo koa, fa tsy manalavitra azy na oviana na oviana ireo.
37Eo ambonin’ny elefanta tsirairay avy, dia nasiana tilikambo hazo mafy nafatotra anja-koditra manodidina ny tenany, ka niaro ny mpiady efatra sy ny mpitarika elefanta, izay samy tao anatin’io tilikambo hazo io.
38Ny mpitaingin-tsoavaly sisa kosa nalahatr’i Antiôkôsa ho eo an-daniny roa amin’ny tafiny mba hanaritaka ny fahavalo sy hiaro ny antoko miaramilany.
39Nony nitaratra tamin’ny ampinga volamena sy halimo ny tana-masoandro, dia namirapiratra kosa ny tendrombohitra tarafin’ny ampinga ka nanjelanjelatra hoatra ny fanilo afo.
40Voalahatra hiady izany tafiky ny mpanjaka izany, ka nisy ampahany teo an-tendrombohitra avo ary nisy ampahany teo an-dohasaha; tamim-pahasahiana sy tamim-pirindrana no nandrosoany.
41Nivadi-po avokoa ny olona noho ny akoralavan’izany vahoaka zavon-tany izany sy ny firodorodon’ny famîndrany ary ny fikitrakitran’ny fiadiany; tafika goavana sy mahery tokoa izany.
42Nandroso kosa i Joda sy ny tafiny mba hiady; ka enin-jato lahy tamin’ny tafiky ny mpanjaka no nitsingidina maty.
43Ary i Elehazara, izay natao hoe koa Avaràna, dia nahatazana iray tamin’ireo elefanta niravaka firongom-pitaovan’andriana sady avo mihoatra noho ireo namany; ka nihevitra izy fa tao ny mpanjaka.
44Izany no nanaovany vy very ny ainy mba hamonjy ny fireneny sy hahazoan’ny tenany laza maharitra mandrakizay.
45Niezaka an-kasahiana i Elehazara nanatona ilay elefanta, ka namaky ny antoko miaramila sady namono ny teo ankavanany sy teo ankaviany; dia nisava nankeo an-daniny roa ny fahavalo teo anoloany.
46Ary nitsorofoka izy nankao ambanin’ny elefanta, dia notrabarany io ka matiny; fa nidaraboka nanindry azy kosa ilay elefanta, ka maty teo i Elehazara.
47Saingy nahita ny hery amam-pifofofofon’ny tafi-panjakana ny Jiosy, ka nihataka teo anoloany.
Nataon’i Antiôkôsa fahirano ny tendrombohitra Tsiôna(Jereo 2 Mak 13.18-23)48Niakatra ho any Jerosalema tamin’izay ireo miaramilan’ny tafiky ny mpanjaka, mba hifanehatra amin’ny Jiosy; dia niorin-toby hamely an’i Jodea sy ny tendrombohitra Tsiôna i Antiôkôsa.
49Nanaovany fanekempihavanana ny Jiosy tao Bety-Tsoro; dia nivoaka ny tanàna ireo, fa efa tsy nanan-kanina hoenti-mihiboka ao intsony, satria taona fampialan-tsasatra ny tany tamin’izay.
50Izany no nahazoan’ny mpanjaka an’i Bety-Tsoro sy nametrahany miaramila hiambina azy.
51Dia nanao fahirano ny tempoly izy nandritra ny andro maromaro ka nanangana tilikambo fitifirana, nandrafitra milina fandrobahan-drindrina sy milina fandefasan-java-mirehitra na fandefasam-bato, ary koa fitaovana fandefasan-jana-tsipîka sy antsamotady.
52Ireo voafahirano koa namboatra milina mba hamotehana ny an’ireo mpanao fahirano, ka naharitra andro maromaro ny fanoherany azy.
53Kanefa tsy nisy sakafo intsony tao amin’ny fitahirizam-batsy, satria taona fampialan-tsasatra ny tany tamin’izay; ary ny sakafo tavela farany tao dia lanin’ireo Jiosy izay niala avy any amin’ny hafa firenena ka nialoka tao Jodea.
54Noho ny mosary nananontanona mafy ny voafahirano, dia vatan-dehilahy Jiosy vitsy foana no tafajanona tao an-tempoly, fa nihahaka samy nody tany amin’ny fonenany avy ny sisa rehetra.
Nahazo fahafahana ara-pivavahana tamin’i Antiôkôsa faha-5 ny Jiosy(Jereo 2 Mak 13.23-26; 11.22-26)55-56Tamin’izay indrindra no ren’i Lisià fa tonga avy any Persia sy Media i Filipo, nombàn’ny miaramila nanaraka ny mpanjaka, ka nitady handray ny raharaham-panjakana ho eo an-tanany. Io Filipo io no voatendrin’i Antiôkôsa mpanjaka, fony izy mbola velona, mba hampianatra an’i Antiôkôsa zanany sy hanabe azy hitondra ny fanjakana.
57Nony nahare izany vaovao izany i Lisià, dia dodona mafy ny hanainga, ka niteny tamin’ny mpanjaka sy ny mpitari-tafika ary ny miaramila hoe:
–Isika ity mihaosa isan’andro; ny sakafo dia kely sisa ananantsika; ny toerana ataontsika fahirano voamanda mafy; kanefa ny raharaham-panjakana izao no tokony himasoantsika.
58Koa ankehitriny, ndao isika hifandray tanana amin’ireo olona ireo, ary hanao fanekempihavanana aminy sy amin’izy rehetra mpiray firenena.
59Aoka hoekentsika ny hahazoany manao toe-piainana araka ny lalànany toy ny taloha; fa noho ny amin’ireo lalàna ireo, izay notadiavintsika hofoanana ihany, no nahatezitra azy sy nahavitany izao fikomiana rehetra izao.
60Sitraky ny mpanjaka sy ny filohan-tafika izany teny izany; ka nandefa iraka i Lisià hanao raharaham-pihavanana amin’ny Jiosy izay nanaiky izany rahateo.
61Nankatoavin’ny mpanjaka sy ny filohan-tafika tamim-pianianana ny fifanekena, ka dia nivoaka ny manda ireo voafahirano.
62Kanjo nony tafiditra tao an-tendrombohitra Tsiôna ny mpanjaka, ka nahita izato manda dia nivadika tamin’ny fianianana nataony ary nanome didy handrava ny manda manodidina ny tempoly.
63Izay izy vao niainga maika dia maika hiverina any Antiôkia izay nahitany an’i Filipo efa tonga tompon’ny tanàna. Dia niady tamin’i Filipo izy, ka nahazo an-kery ny tanàna.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.