1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.
2Sambatra izay miahy ny malahelo sy mahantra,
fa ny TOMPO hamonjy azy amin’ny andro mahory.
3Ny TOMPO no miaro azy tsy ho faty
ka mahatonga azy ho sambatra eto an-tany
sady tsy mahafoy azy ho voatanam-pahavalo.
4Ny TOMPO no hanohana azy
eo am-pandriana ijaliany,
ka dia hikarakara azy
mandritra ny aharariany.
5Ka hoy aho tamin’ny TOMPO:
«Mba iantrao aho ka sitrano
fa taminao no efa nanotako!»
6Ny fahavaloko maniry loza ho ahy hoe:
«Oviana no ho faty io, ka tsy hotsaroana intsony!»
7Raha misy tonga mamangy ahy ireo,
dia mikendry ny hanendrikendrika ahy;
manangona fanaratsiana ao an-tsainy izy,
ka vao tafavoaka, dia mampiely izany.
8Nivory ireo rehetra tsy tia ahy
mba hitakoritsidritsika ny amiko
sy hanombantombana ny fahavoazako.
9Hoy ireo hoe: «Voan’ny aretin-dratsy io
ka milamaka tsy ho tafarina intsony!»
10Na dia ny sakaiza tiako indrindra aza,
izay nitokiako ka niara-nihinana tamiko,
dia nanjary nitsangana hanohitra ahy.
11Fa Ianao kosa, TOMPO ô, miantrà ahy;
ka areno aho mba hamaliako an’ireo.
12Izao no hahafantarako fa tia ahy Ianao:
tsy hakorain’ny fahavaloko hoe resy aho.
13Ary izaho dia hotahirizinao tsy hanan-tsiny
ka hampitoerinao mandrakizay eo anatrehanao.
14Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely,
hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Amen! Amen!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.