Salamo 5 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Vavaky ny olona iray rehefa noraisina tao an-tranon’ny Tompo izy

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny sodina. Salamo nataon’i Davida.

2TOMPO ô, mba henoy re ny teniko;

aoka ho tandrinao ny sentom-poko.

3Ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô,

mandrenesa ny feoko fa miantso Anao aho;

Eny, Ianao no ivavahako vao maraina,

4ka hohenoinao ny feoko, TOMPO ô.

Vao maraina aho dia efa miomana ny horaisinao,

ary miandry ny valim-bavaka avy aminao.

5Tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao;

ka tsy hitoetra eo aminao ny olon-dratsy,

6tsy zakanao ho eo anoloanao ny mpirehareha,

halanao ny mpanao ratsy rehetra.

7Haringanao ny mpandainga;

ary maharikoriko Anao, TOMPO ô,

ny mpamitaka sy mpamono olona.

8Izaho kosa hiditra ao an-tranonao,

satria Ianao efa fatra-pitia ahy;

dia hiankohoka amim-panajana

manoloana ny Toeramasinao aho.

9TOMPO ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho

noho ny afitsok’ireo olona mitsikilo ahy;

ataovy mahitsy eo anatrehako

ny lalana asainao alehako.

10Tsy misy azo ianteherana izay lazain’ireo,

sady feno heloka ny ao am-pony;

ny lelany toy ny lala-malama,

ny tendany toy ny fasa-mitanatana.

11Andriamanitra ô, melohy izy;

ny fikasany anie hampianjera azy!

Roahy izy fa be ota loatra,

satria efa nikomy taminao.

12Izay rehetra mialoka aminao kosa, aoka hifaly;

ireo arovanao, aoka hihoby mandrakizay;

ireo tia Anao, aoka hiravoravo aminao!

13TOMPO ô, Ianao no mitahy ny olo-marina;

ny fanambinanao no toy ny ampinga miaro azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help