1Levona ny olo-marina
nefa tsy misy miraharaha izany;
alaina an-keriny ny olom-banona
nefa tsy misy miraika amin’izany.
Eny, ny famelezan’ny mpisompatra
no akàna an-keriny ny olo-marina.
2Nefa ho tonga ny fandriampahalemana,
ka hatory milamina eo am-pandriany avy
izay mizotra amin’ny hitsiny.
Fanakianana ny vahoaka manompo sampy3Fa ianareo kosa manatòna eto,
ry zanaky ny mpamosavy,
taranaky ny lehilahy mpanitsakitsa-bady
sy ny vehivavy janga!
4Iza moa no esoesoinareo?
Iza no isanasananareo vava
sy itrangatranganareo lela?
Tsy ianareo ve no zanaka mpikomy
sy taranaka mpandainga?
5Maimay erỳ ianareo teny akaikin’ny hazo terebinta
sy ny hazo rehetra matevin-dravina.
Nanao sorona zaza ianareo
teny amoron’ny lohasahan-driaka
sy teny an-tsefatsefaky ny harambato.
6Koa ny vatokilonjy eny amin’ny lohasahan-driaka
no indreo zavatra ifikiranao, ry Israely;
eny, ireny tokoa no zavatra ifikiranao!
Fa ireny no andrarahanao fanatitra divay
sy anoloranao fanatitra hohanina;
ka dia hahatsindry fo ve Izaho Tompo
amin’izany toe-javatra izany?
7Teny an-tendrombohitra avo manerinerina
no nametrahanao ny fandrianao;
teny koa no niakaranao hanolotra sorona.
8Tao ambadiky ny tolàm-baravarana no nametrahanao
ny ody fampahatsiarovana anao.
Fa lavitra Ahy kosa no nitanjahanao
sy niakaranao hankeo am-pandrianao
ary nanalalahanao ny toerana teo.
Dia nividy sakaiza maro ianao,
ka finaritra matory miaraka aminy;
ary nobanjininao ilay rantsam-batany.
9Nivezivezy nankany amin’i Môlôka ianao
ka nitondra diloilo sy zava-manitra betsaka;
nandefa solotena hatrany lavitra any ianao,
ka mova tsy hatrany amin’ny fonenan’ny maty
no nampietrenao ny tenanao.
10Sasatra ianao tamin’ny lalan-davitra nalehanao,
kanefa tsy loa-bolana hoe: «Kivy aho izany!»
Nahazo hery indray aza ianao,
ka tsy nahatsiaro reraka.
11Fa iza no nahînao sy natahoranao
no dia namadika Ahy ianao,
ka tsy nahatsiaro Ahy intsony
sy nandroaka Ahy tao am-ponao?
Efa nangina hatrỳ ny ela Aho,
ka izany angaha no tsy anajanao Ahy?
12Kanefa hovakiko bantsilana
ny fihamboanao ho marina sy ny asanao;
ka tsy hahasoa anao akory ireny.
13Rehefa miantso vonjy ianao,
dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao,
dia ireo sampy maro voaangonao.
Kanefa hopaohin’ny rivotra ireny;
tsio-drivotra mihelina dia hahalasa azy!
Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany
sy handova ny tendrombohitro masina.
Ny fahasitranan’ny vahoakan’Andriamanitra.14Ny TOMPO efa niteny hoe:
«Ataovy mitovy tantana ny lalana,
ataovy mitovy tantana ny lalana ka sokafy,
esory ny sakantsakana amin’ny lalan’ny vahoakako.»
15Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina,
ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany,
dia manao izao teny izao:
«Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako,
nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena
mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena
sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.
16Fa tsy hanakiana lava Aho na ho tezitra hatrany;
raha tsy izany dia ho faty eo anatrehako
ny fofonaina mbamin’ny mananaina noariko.
17Ny fahadisoan’ny vahoakako no nahatezitra Ahy vetivety.
Noho Izaho tezitra no nikapohako azy
sady tsy netezako hijery azy.
Nefa nikomy hatrany izy
ka nanaraka ny ditran’ny fony,
18ary hitako ny fitondrantenany.
Saingy izao no lazaiko: Hanasitrana ny vahoakako Aho,
ka hitari-dalana sy hampahery azy.
Ary ho an’ireo olony misaona kosa,
19dia horakora-pifaliana no hataoko eo amin’ny molony.
Ka hoy AHO hoe: Fiadanana ho an’izay lavitra,
fiadanana ho an’izay akaiky!
Eny, hanasitrana ny vahoakako Aho.»
20Fa ny olon-dratsy kosa
dia toy ny ranomasina misamboaravoara
sady tsy afaka mitoetra milamina;
fa mamoaka loto sy fotaka ny ranony.
21«Tsy misy fiadanana ho an’ny olon-dratsy,
hoy ilay Andriamanitro.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.