1I Lisià praiministra, izay «havan’ny mpanjaka» sady niahy ny fanabeazana azy, dia nahatsiaro nangirifiry tamin’ilay zava-nidona teo. Koa, andro vitsy taorian’izany,
2dia namory miaramila sahabo ho antokon-tafika valopolo mbamin’ny miaramila an-tsoavaly rehetra izy, ka niroso hamely ny Jiosy. Nampoiziny mihitsy ny hahatonga an’i Jerosalema ho tanàna fonenan’ny Grika.
3Tiany hampandoavina hetra ny toera-masina, tahaka ny tempoly rehetra any amin’ny hafa firenena any, ary hamidy isan-taona ny andraikitra maha mpisorombe.
4Tsy noheverin’i Lisià akory tamin’izany izay fahefan’Andriamanitra; fa ny miaramilany an-tongotra nisy antokon-tafika ampolony maro sy ny miaramilany an-tsoavaly an’arivony ary ny elefantany valopolo no nianteherany fatratra.
5Nony tafiditra an’i Jodea izy ka nanakaiky an’i Bety-Tsoro, toera-mafy sahabo ho 28 kilaometatra atsimon’i Jerosalema, dia nanomboka nanery azy.
6Vao ren’i Joda Makabeo sy ny namany fa hoe ataon’i Lisià fahirano ny tranomimanda, dia namory vahoaka izy ka niara-nivavaka ombàm-pisentoana sy ranomaso tamin’ny Tompo mba hanirahany anjely tsara anankiray hamonjy an’i Israely.
7Avy eo dia ny tenan’i Makabeo no nandray fiadiana voalohany sy nampirisika ny hafa hanao vy very ny ainy miaraka aminy hamonjy ireo mpiray firenena.
8Indray niroso tamin-kafanampo avokoa izy rehetra; ary mbola tsy lavitra loatra an’i Jerosalema izy no indro nisy mpitaingin-tsoavaly niseho teo alohany sady nampandihy fiadiana volamena.
9Ka indray nisaotra an’Andriamanitra mpamindra fo izy rehetra, samy nahatsapa hovoaentanin-kery lehibe ka vonon-kanagorobaka tsy hoe ny olona ihany fa ny biby faran’izay masiaka koa, ary hamaky manda vy aza.
10Nandroso nilahatra hiady izy ireo, satria nangorahan’ny Tompo ka nana-mpanampy avy any an-danitra.
11Niantoraka toy ny liona tamin’ny fahavalo ireo mpomba an’i Joda Makabeo, ka miaramila an-tongotra nisy antokon-tafika 11 sy miaramila an-tsoavaly 1 060 no natsingidiny tamin’ny tany,
12ary ny sisa nataony vaky nandositra. Efa voaratra sy nanary fiadiana ny ankamaroan’ny mpandositra ary ny tenan’i Lisià aza tsy nahavonjy ny ainy, afa-tsy tamin’ny fandosirana mahamenatra.
Nampihavanin’i Lisià tamin’i Antiôkosa ny Jiosy(Jereo 1 Mak 6.57-61)13Kanefa nanan-tsaina i Lisià ka nandinika ity fahareseny, ary nahatsapa fa tsy azo resena ny Jiosy satria Ilay Andriamanitra mahery no miara-miady aminy;
14dia nandefasany iraka ireo mba hanolotra fihavanana araka izay famarafarana rehetra ara-drariny, ary nanome toky i Lisià fa hampanaiky ny mpanjaka hanjary sakaizan’ny Jiosy.
15Tsy nikendry afa-tsy ny soa ho an’ny besinimaro koa i Joda Makabeo ka nanaiky ny hevitra rehetra naroson’i Lisià; ny mpanjaka rahateo nankatò izay rehetra nalefan’i Joda Makabeo an-tsoratra ny amin’ny famarafaram-pihavanana momba ny Jiosy.
Ny taratasy nalefan’i Lisià ho an’ny Jiosy16Ny taratasy nosoratan’i Lisià ho an’ny Jiosy dia mirakitra izao teny izao:
–Avy amiko Lisià ity taratasy ity. Manoratra ho anareo Jiosy mitambabe aho ary miarahaba anareo.
17«Voatolotr’i Jôhany sy i Absalôma izay nirahinareo ho aty amiko ity fitakiana vita an-tsoratra ity ka nangatahiny aho hampanan-kery ny andininy voarakitr’izany.
18Efa nampahafantariko ny mpanjaka izay rehetra tsy maintsy alefa mankany aminy, ka nankatoaviny ny zavatra heveriny fa azo ekena.
19Raha tazoninareo hatrany ny toetra miandany amin’ny fitondram-panjakana, dia hikely aina koa aho amin’ny ho avy mba hanao izay hiadananareo.
20Ny amin’ny antsipirian-javatra sasany dia nohazavaiko tamin’ireto irakareo ireto sy ny ahy, ka dia hifampidinika aminareo izy ireo.
21«Veloma finaritra ianareo.
«Nosoratana tamin’ny taona faha-148, volana Zeosa-Korintianina, andro faha-24.»
Ny taratasy nalefan’ny mpanjaka ho an’i Lisià sy ho an’ny Jiosy22Toy izao kosa no raketin’ilay taratasin’ny mpanjaka ho an’i Lisià:
«Avy amiko Antiôkôsa mpanjaka ity taratasy ity. Manoratra ho anao aho, ry Lisià rahalahiko, ary miarahaba anao.
23«Fony voafindra any amin’ireo andriamanitra ny raiko, ny iriko dia ny hifotoran’izay mponina eto amin’ny fanjakako amin’ny fikarakarana ny raharahany tsy hisy mpanelingelina.
24Reko fa tsy eken’ny Jiosy ny hanaraka ny fomba grika, araka izay notadiavin-draiko; aleony ihany ny fombany manokana, ka mangataka izy havela hiaina araka ny lalànany.
25Koa iriko tsy hisy tabataba intsony amin’izany firenena izany, ary didiako ny hamerenana ny tempoliny aminy sy ny hamelana azy hanaraka ny fomban-drazany.
26Tsara àry ny handefasanao iraka ho any aminy hanome antoka azy amin’ny fandraisan-tanana. Izany no hahazoany toky sy hifotorany amin’ny fanatontosana ny raharaha fanaony, rehefa fantany ny zava-kendrenay.»
27Ny taratasin’i Antiôkôsa mpanjaka ho an’ny firenena jiosy kosa dia toy izao:
«Avy amiko Antiôkôsa mpanjaka ity taratasy ity. Rarîko fiadanana ianareo Antenimieran-doholona sy ianareo Jiosy hafa rehetra.
28«Raha salama tsara ianareo, dia izany no mifanaraka amin’ny faniriako. Ny tenako ihany koa dia salama tsara.
29Nampahafantarin’i Menelà ahy ny fanirianareo hiverina any aminareo sy hanatontosa ny raharaha fanaonareo.
30Koa izay mody alohan’ny andro faha-30 n’ny volana Ksantika, dia homeko antoka fa hovotsoran-keloka.
31Aoka ny Jiosy hihinana izay sakafo fihinany sy hanaraka ny lalànany tahaka ny taloha, ka aza misy omena soketa noho izay diso nataony tsy amim-pahalalana.
32I Menelà koa dia nirahiko mba hampatoky anareo.
33«Veloma finaritra ianareo.
«Nosoratana tamin’ny taona faha-148, volana ksantîka, andro faha-15.»
Ny taratasy nalefan’ny Rômanina ho an’ny Jiosy34Ny Rômanina koa dia nandefa taratasy ho an’ny Jiosy mirakitra izao teny izao:
«I Kointa Memy sy i Tito Manily ary i Many Serjy, samy iraky ny Rômanina, dia miarahaba anareo Jiosy.
35Ireo zavatra efa neken’i Lisià «havan’ny mpanjaka» taminareo, dia ankatoavinay tanteraka koa.
36Ary ny amin’ireo nataony ho tsy maintsy alefa hodinihin’ny mpanjaka dia aoka hotombananareo tsara ary aza angatahana andro fa aniraho olona hilaza ny hevitrareo aty aminay; izany no harosonay eo amin’ny mpanjaka, araka ny mahasoa anareo. Eny, hankany Antiôkia izahay,
37ka alefaso faingana ny irakareo mba hahalalanay izay hevitrareo koa.
38«Veloma finaritra ianareo.
«Nosoratana tamin’ny taona faha-148, volana Ksantika, andro faha-15.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.