Tôbita 8 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Rehefa vita ny sakafo, dia samy te hatory avy; ary nentina ilay tovolahy ka nampidirina tao amin’io efitrano voaomana io.

2Tamin’izay i Tôbià dia nahatsiaro ny tenin’i Rafaela, ka naka ny fo aman’atin-trondro tao an-kitapony ary nametraka azy teo ambony vainafo fandoroana ditin-kazo manitra.

3Izany lanin-trondro nidofaka izany no nampihemotra ilay demony; ary lasa izy nisidina teny amin’ny ambony teny ka nandositra tany amin’ny faritr’i Ejipta. Nenjehin’i Rafaela hatrany Ejipta kosa io demony io ary nosamboriny ka nafatony teo no ho eo.

4Dia namela an’i Tôbià tao an’efitrano i Ragoela mivady ary nanidy ny varavarana. I Tôbià kosa nitsangana niala teo am-parafara ka niteny tamin’i Sarà hoe:

–Mitsangàna, ry vady malalako, fa hivavaka isika ary hitalaho amin’ilay Tompontsika mba hamindrany fo sy harovany.

5Dia nitsangana i Sarà; ary nanomboka nivavaka sy nitalaho izy roa mba harovan’ny Tompo. Ka hoy i Tôbià hoe:

–Ankalazaina Ianao, ry Andriamanitry ny razanay;

ankalazaina ny anaranao amin’ny taona rehetra ho avy.

Hankalaza Anao anie ny lanitra sy ny voaary manontolo

amin’ny taona rehetra!

6Ianao no nanao an’i Adama

ary nanao mpanampy sy mpanohana ho azy,

dia i Eva vadiny;

ka izy roroa no nipoiran’ny taranak’olombelona.

Ianao no nilaza hoe:

Tsy tsara raha irery ny lehilahy,

aoka izy hanaovantsika

mpanampy mitovy endrika aminy!

7Ankehitriny, Tompo ô,

tsy faniriana

no nahatonga ahy haka ity havako ity ho vady

fa ny firaiketam-po aminao.

Koa mba amindrao fo ny tenako sy ny tenany,

ary omeo anay roa ny hiaraka ho tratra antitra.

8Dia indray nanampy izy mivady nanao hoe:

–Amen! Amen!

9Avy eo dia natory izy roa tamin’iny alina iny.

10Taorian’izany i Ragoela no niarina sy niantso an’ireo lehilahy mpanompony, ka niara-nandeha taminy hihady fasana; satria hoy i Ragoela anakampony: «Raha maty ilay tovolahy, dia ho voaeso sy ho voatevateva izahay!»

11Rehefa voahady ny fasana, dia niverina tao an-trano i Ragoela ary niantso ny vadiny

12sy nilaza taminy hoe:

–Mba aniraho anankiray amin’ireo mpanompovavy hankao an’efitrano ka hijery raha mbola velona aina i Tôbià. Raha tàhiny kosa maty izy, dia ho azontsika atao ny handevina azy tsy hisy mpahalala.

13Dia nirahin’izy mivady ity mpanompovavy, ka nomeny jiro voarehitra ary novohany varavarana; dia niditra ny efitrano io mpanompovavy io ka nahita an’i Tôbià sy i Sarà miara-mandry sady renoky ny torimaso.

14Ka nivoaka ny efitrano izy ary nampandre an’i Ragoela mivady hoe:

–Velona aina i Tôbià! Tsy nisy loza nihatra akory!

15Dia nankalaza an’ilay Andriamanitry ny lanitra i Ragoela ka nanao hoe:

–Ankalazaina Ianao, Andriamanitra ô,

ankalazain’ireo rehetra madio fo.

Aoka izy hankalaza Anao

amin’ny taona rehetra!

16Ankalazaina Ianao naneni-kafaliana ahy,

satria tsy nihatra ny zavatra nahîko;

araka ny haben’ny indrafonao

no nataonao taminay.

17Eny, ankalazaina ianao namindrafo

tamin’ireo zaza samy tokana ireo.

Tompo ô, indrafo sy famonjena

no asehoy amin’izy roa hatrany;

ary ny fiainany ataovy mizotra

ombàm-pifaliana sy ombàm-piantrana!

18Avy eo dia nobaikoin’i Ragoela ireo lehilahy mpanompony hanototra ilay fasana nataony, alohan’ny hiposahan’ny masoandro.

Ny fanasambe tamin’ny fampakaram-bady

19Ary nilazan’i Ragoela ny vadiny mba hanao mofo betsaka. Ny tenany kosa nandeha tany amin’ny andiam-biby fiompiny, ka naka omby roa sy ondrilahy efatra teo ary nampanamboatra azy handrahoina. Dia nanomboka ny fanomanan-danonana.

20I Tôbià kosa nantsoin’i Ragoela ka nitenenany nombàm-pianianana hoe:

–Mandritra ny efatra ambin’ny folo andro, dia tsy hihetsika teto ianao fa hijanona ato an-tranoko mba hihinana sy hisotro. Hampifalianao fo indray ny zanako vavy, izay efa nianjadiam-pahoriana betsaka.

21Raiso dieny izao ny antsasa-pananako, ary hiverina soa aman-tsara any an-tranon-drainao ianao. Ny antsasany hafa kosa dia ho anareo roa, rehefa maty ny tenako sy ny vadiko. Mahereza, anaka, fa ray ho anao ny tenako ary reny ho anao i Ednà. Miraiki-po aminao sy amin’ny vadinao izahay, dieny izao ka ho mandrakizay. Mahereza, anaka!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help