Eksôdy 35 - Malagasy Bible Interconfessionelle

NY FANAMBOARANA NY TOERAMASINANy sabata dia andro fitsaharana

1Novorin’i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe:

–Ireto no zavatra nandidian’ny TOMPO hotanterahinareo:

2misy andro enina hiasanareo isan-kerinandro, fa ny andro fahafito dia sabata, andro fitsaharana hatokanareo ho an’ny TOMPO. Koa izay olona rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hovonoina ho faty.

3Na aiza na aiza honenanareo, dia tsy azonareo atao na dia ny mandrehitra afo aza amin’ny andro sabata.

Mitondra ny fandraisany anjara ny Israelita

4Nanohy nampita ny baiko avy amin’ny TOMPO ihany i Mosesy ka niteny tamin’ny Israelita tafangona teo nanao hoe:

5–Angony ny fanomezana avy aminareo ho an’ny TOMPO; izay rehetra manome an-tsitrapo no aoka hitondra fanomezana isan-karazany ho an’ny TOMPO: dia volamena, volafotsy, halimo,

6volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, rongony madinika, volon’osy,

7hoditr’ondry miloko mena, hoditra mafy, hazo mimôzà,

8solika hampiasaina amin’ny fitoeran-jiro, ilomanitra hafangaro amin’ny ilomasina fanokanana sy amin’ny vovo-javamanitra hodorana,

9vato berila sy vatosoa hafa hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratran’ny mpisorombe.

10Ary aoka ny mpahay taozavatra kinga rehetra ao aminareo hivory mba hanatanteraka izay rehetra nodidian’ny TOMPO:

11dia ny fonena-masina miaraka amin’ny tranolay sy ny rakotra hiaro azy, ny farango, ny hazo fisaka, ny barany, ny andry miaraka amin’ny faladiany;

12ny Vatamasina sy ny baony ary ny sarony; ny efitra lamba,

13ny latabatra voatokana sy ny baony ary ny fitaovana rehetra miaraka aminy mbamin’ny mofo fanolotra an’Andriamanitra;

14ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana miaraka aminy, ny jiro sy ny solika fandrehitra,

15ny alitara fandoroana vovo-javamanitra sy ny baony, ny ilomasina fanokanana, ny vovo-javamanitra hodorana, ny varavarana lamba eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina;

16ny alitara fanaovana sorona sy ny makarakarany halimo ary ny baony mbamin’ny fitaovana rehetra miaraka aminy; ny kovetabe sy ny faladiany,

17ny temitry ny kianja miaraka amin’ny andry sy ny faladiany, ny varavarana lamba eo am-bavahadin’ny kianja;

18ny tsîmatra momba ny fonena-masina sy ny fefin’ny kianja miaraka amin’ny tady mifandraika aminy;

19ny lamba fandrakofana ny fanaka ao amin’ny Toeramasina ary ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany.

20Dia nandao an’i Mosesy ny vahoaka israelita rehetra.

21Nony avy eo, dia tonga avokoa izay olona rehetra nentanin’ny fony sy malala-tanana, ka samy nitondra fanomezana ho an’ny TOMPO mba hanamboarana ny Tranolay fihaonana, hanaovana fanompoam-pivavahana sy hanamboarana ny fanamiana voatokana.

22Tonga ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra malala-tanana nitondra firavaka volamena isan-karazany, fisisika, kavina, peratra na vakana, ka nanolotra azy ho an’ny TOMPO araka ny fihetsika fanolorana izany.

23Ireo rehetra nanana volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, rongony madinika, na volon’osy, na hoditr’ondry miloko mena na hoditra mafy ihany koa dia samy nitondra ny azy.

24Ireo nanavaka volafotsy na halimo ho an’ny TOMPO koa dia samy nitondra ny azy; izay nanana hazo mimôzà azo ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny asa dia nitondra ny azy.

25Samy nitondra ny kiran-drongony madinika sy ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky izay efa nofolesin’ny tanany koa ireo vehivavy kinga.

26Nisy koa vehivavy kinga hafa nazoto namoly volon’osy.

27Ireo lehiben’ny vahoaka israelita kosa nitondra ny vato berila sy ny vatosoa hafa hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratran’ny mpisorombe,

28mbamin’ny ilomanitra sy ny solika hatao amin’ny jiro sy ho an’ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana ary ny vovo-javamanitra hodorana.

29Ny Israelita malala-tanana rehetra, na lahy na vavy, dia nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’ny TOMPO mba ho enti-manao ireo asa izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Manomboka ny asa i Betsalela sy i Ôhôliaba

30Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita:

–Jereonareo fa nofidin’ny TOMPO i Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda,

31ary nofenoiny ny Fanahiny mba ho tena kinga sy marani-tsaina, ka mahalala ny haitao isan-karazany:

32hainy ny manao vinavinan’asa, ny miasa volamena sy volafotsy ary halimo,

33ny mandidy ny vatosoa sy mandrafitra azy, ny manao sokitra ny hazo, izany hoe hainy atao ny asa kanto samihafa.

34Nomen’ny TOMPO azy ny fahaiza-mampianatra, tahaka izay nomeny an’i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana.

35Nomeny azy roa lahy ny talenta hanao asa isan-karazany: ny mandidy vatosoa, ny manao sary, ny manao peta-kofehy amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ny manao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony madinika, ny manenona ary ny manatontosa asa samihafa na mamorona zava-kanto.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help