Estera Grika 5 - Malagasy Bible Interconfessionelle

17[3] Ary hoy ny amperôra taminy:

-Inona no irinao, ry Estera? Inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia ho azonao izany.

18[4] Fa novalian’i Estera hoe:

-Andro lehibe ho ahy ity andro anio ity. Raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka ianao miaraka amin’i Hamàna anio ho tonga amin’ny fanasana izay efa nomaniko!

19[5] Koa nampanantsoin’i amperôra faingana i Hamàna mba hanaiky ny fiangavian’i Estera. Dia nankao amin’ny fanasana izay efa niangavian’i Estera azy ny amperôra mbamin’i Hamàna.

20[6] Teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy ny amperôra tamin’i Estera:

-Fa maninona ianao, ry Estera mpanjakavavy? Izay rehetra hangatahinao dia ho azonao.

21[7] Dia novaliany hoe:

–Ny angatahiko sy tadiaviko ve?

22[8] Izao no izy, ry andriamanjaka: raha nahazo sitraka taminao aho, dia aoka ianao miaraka amin’i Hamàna mbola ho tonga ihany rahampitso amin’ny fanasana izay homaniko ho anareo ary hokarakaraiko toy ilay natao androany.

Nomanin’i Hamàna ny hazo hanantonana an’i Môrdôkay

23[9] Tena sambatra sy falifaly tokoa i Hamàna no nivoaka ny tranon’ny amperôra. Saingy, teo an-kianjan’ny lapa, dia nahita an’i Môrdôkay i Hamàna, ka feno fahatezerana fatratra.

24[10] Lasa nody tany an-tranony izy, dia naniraka olona haka ireo sakaizany sy i Zôsarà vadiny.

25[11] Nasehon’i Hamàna tamin’ireo ny hareny ary koa ny voninahitra izay nototofan’ny amperôra azy, dia ny nanaovany azy ho Praiministra sy ny nanankinany azy ny fitondràm-panjakana.

26[12] Dia hoy koa i Hamàna hoe:

–I Estera mpanjakavavy aza dia tsy niantso olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin’ny amperôra tamin’ny fanasana. Ary mbola antsoiny koa aho rahampitso.

27[13] Kanefa tsy sitrako izany, raha mbola hitako ao an-kianjan’ny lapa ilay Jiosy Môrdôkay.

28[14] Dia hoy i Zôsarà vadin’i Hamàna sy ireo sakaizany taminy:

–Aoka ianao hampanapaka hazo fanantonana ka ho 25 metatra ny haavony; ary raha maraina, dia angataho amin’ny mpanjaka mba hahantona eo i Môrdôkay. Avy eo dia mandehana amin-kafaliana ianao miaraka amin’ny amperôra ho any amin’ny fanasana.

Ary sitrak’i Hamàna izany hevitra izany ka dia nampanamboariny tokoa ilay hazo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help