Tôbita 9 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Tany Ragao i Rafaela

1Tamin’izay no nantsoin’i Tôbià i Rafaela ka nitenenany hoe:

2–Ry Hazarià sakaizako, makà mpanompo efatra sy rameva roa hiaraka aminao, ka mandehana mankany amin’i Gabaela any Ragao. Omeo azy ilay taratasy voasonia mba hahazoanao ny petra-bola. I Gabaela kosa hoentinao miaraka aminao mba hankaty amin’ny fampakaram-badiko.

3-4Fantatrao fa tsy mitsaha-manisa andro ny raiko mandra-piveriko. Raha tàhiny taraiky andro anankiray aho, dia hampalahelo azy mafy. Hitanao koa fa efa nanao fianianana i Ragoela mba tsy hahazoako mihetsika; ary tsy afa-manohitra izany aho.

5Niaraka tamin’ny mpanompo efatra sy rameva roa tokoa i Rafaela no lasa nankany Ragao, tanànan’i Media, ary niantrano tao amin’i Gabaela iny alina iny. Nomen’i Rafaela azy ny taratasim-pifanekena voasonia; ary notantarainy taminy fa i Tôbià zanakalahin’i Tôbita, dia nahazo vady ka manasa azy amin’ny lanonana fampakaram-bady. Teo no ho eo ihany i Gabaela dia nanisa ny kitapom-bola izay voaisy tombokase; ary nakarina teo ambony rameva ireo.

6Vao maraina be no niara-niainga izy rehetra ary nankany amin’ny lanonana fampakaram-bady. Rehefa tonga tao amin’i Ragoela ireto mpandeha, dia nahita an’i Tôbià efa eo am-pisakafoana. Fa nitsangana faingana i Tôbià mba hiarahaba an’i Gabaela; ka sady nitomany i Gabaela no nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

–Olom-banona ianao sady nateraky ny lehilahy olom-banona sy mpandala ny rariny ary mpanao fiantrana! Homen’ny Tompo tsodrano avy any an-danitra anie ny tenanao sy ny vadinao ary ny ray aman-drenin’ny vadinao! Ankalazaina Andriamanitra, satria nataony hitako i Tôbià havako, izay mitovy amin-drainy mihitsy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help