Salamo 145 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Maharitra mandrakizay ny fanjakanao

1 Fiderana nataon’i Davida.

ALEFA

Andriamanitro ô, Ianao no mpanjakako

ka dia hanandratra Anao aho

sy hankalaza ny anaranao mandrakizay.

BETA

2Hankalaza Anao isan’andro aho

sy hidera ny anaranao mandrakizay.

GIMELA

3Lehibe ny TOMPO ary mendri-piderana fatratra;

tsy takatry ny saina ny halehibiazany.

DALETA

4Ny taranaka rehetra samy hilaza

amin’izay mandimby azy

ny fiderana ny zava-bitanao

sy hanambara ny asanao mahery.

HE

5Ny fiandriananao malaza sy be voninahitra

mbamin’ny asanao mahagaga no hosaintsainiko;

VAO

6hotenenin’ny olona anie ny herinao mahatahotra,

fa hotanisaiko kosa ny halehibiazanao!

ZAINA

7Aoka izy hiventy fahatsiarovana

ireo asa soa lehibe nataonao

ary hihoby ny fahamarinanao!

HETA

8Miantra sy be indrafo ny TOMPO,

tsy malaky tezitra ary be fitiavana;

TETA

9tsara amin’ny olon-drehetra ny TOMPO,

be indrafo amin’ny asany rehetra.

JODA

10TOMPO ô, midera Anao ny asanao rehetra;

misaotra Anao ny mpivavaka aminao.

KAFA

11Resahiny ny fanjakanao be voninahitra

ary teneniny ny asanao mahery

LAMEDA

12mba ho fantatry ny olona ny asanao mahery

sy ny fanjakanao be voninahitra sy malaza.

MEMA

13Fanjakana maharitra mandrakizay ny fanjakanao;

amin’ny taona mifandimby ny fanapahanao.

NONA

Mahatoky amin’ny fampanantenàny rehetra ny TOMPO

ary be fitiavana amin’ny asany rehetra.

SAMEKA

14Ny TOMPO no manohana izay rehetra ho lavo

sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.

HAINA

15Mifantoka aminao ny mason’izao rehetra izao

fa Ianao manome azy ny sakafony ara-potoana.

PE

16Manokatra ny tananao Ianao

ka mamoky zava-tsoa ny miaina rehetra.

TSADE

17Marina amin’ny lalany rehetra ny TOMPO

ary be fitiavana amin’ny asany rehetra.

KÔFA

18Ny TOMPO eo akaikin’izay rehetra miantso Azy,

dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.

RESA

19Manao izay irîn’ny manaja Azy ny Tompo,

ary mihaino ny tarainany ka mamonjy azy.

SINA

20Ny TOMPO miambina izay rehetra tia Azy;

ny olon-dratsy kosa aringany avokoa.

TAO

21Aoka ny vavako hiteny fiderana ny TOMPO;

ny voaary rehetra anie hankalaza ny anarany masina

mandrakizay mandrakizay!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help