Isaià 52 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Mifohaza, ry Jerosalema

1Mifohaza ianao, ry Tsiôna ô,

mifohaza ka tafio indray ny herinao;

tafio indray ny fitafianao tsara tarehy,

ry Jerosalema tanàna masina!

Satria tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy mifora

sy ny olona maloto ara-pivavahana.

2Ahintsano ny vovoka nandrakotra anao, ka mitsangàna;

dia aoka ho amin’ny sezafiandriananao indray

no hipetrahanao, ry Jerosalema ô!

Ny fatorana mangeja ny tendanao

dia aoka hovahanao, ry Tsiôna babo!

3Fa izao no lazain’ny TOMPO amin’ny vahoakany: «Maimaim-poana no nanolorana anareo handevozina, ka tsy handaniana vola ny hanavotana anareo.»

4Izao koa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Tamin’ny voalohany dia nidina tany Ejipta ny vahoakako mba hivahiny; avy teo dia ny Asirianina no nampahory azy tsy amin’antony.

5Ary amin’izao toe-javatra ankehitriny eto izao, inona no tombony azoko?» Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Natao babo maimaimpoana ny vahoakako. Mirehaka manakora ny mpanjakazaka mampahory azy; ary hamavoina isan’andro ny anarako.

6Noho izany, dia ho avy ny andro hahalalan’ny vahoakako ny anarako; ka amin’izay no hahafantarany fa Izaho mihitsy no Ilay miteny hoe: Inty Aho.»

Ny fiverenan’ny Tompo ao Jerosalema

7Endrey tsara tokoa erỳ an-tendrombohitra

ny famindran’ilay mpitondra hafatra,

izay manambara fiadanana

sy mampita hafatra mahasambatra

ary manambara famonjena

ka manao amin’i Tsiôna hoe:

«Mpanjaka ny Andriamanitrao.»

8Injany ny feon’ireo napetrakao ho mpitily!

Manandra-peo izy ka miara-mihorakoraka-pifaliana,

satria mahita maso ny fiverenan’ny TOMPO ao Tsiôna.

9Manaova horakora-pifaliana

ka redòny ny hiram-pihobiana,

ry toerana rava ao Jerosalema,

satria efa nampahery ny vahoakany ny TOMPO

sady efa nanavotra an’i Jerosalema!

10Nahariharin’ny TOMPO

teo imason’ny firenen-kafa rehetra

ny hery maneho ny fahamasinany

ka hahita ny famonjen’Andriamanitsika

ny vazan-tany rehetra.

Ilaozy i Babilôna.

11Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO,

mialà, mivoaha avy ao Babilôna.

Aza mikasika izay maloto

,

fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!

12Satria tsy hikoropaka ianareo

raha miainga hivoaka ny tanàna,

ary tsy hihorohoro raha miala teto;

fa ny TOMPO no hialoha lalana anareo

ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo.

Ilay Mpanompon’ny Tompo(tononkira fahefatra)

13Indro fa hahomby ny Mpanompoko;

hisandratra ho avo izy ka hapetraka

eo amin’ny toeram-boninahitra ambony indrindra.

14Maro be ny olona no tsiravina raha nijery azy

satria niova loatra ny endriny

ka tsy toy ny endrik’olona akory;

ary ny tarehiny tsy toy ny tarehin’olombelona intsony.

15Firenen-kafa maro kosa no ho talanjona ny aminy;

ka hitampim-bava eo anatrehany aza ireo mpanjaka,

satria izay tsy mbola notantaraina taminy no hitany

ary izay tsy mbola reny akory no saintsaininy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help