Jôba 35 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Araka an’i Elihò, dia tsy manan-java-marina holazaina i Jôba

1Dia nanohy ny teniny i Elihò ka nanao hoe:

2–Moa heverinao ho rariny ve ny filàzanao hoe:

«Marina eo anoloan’Andriamanitra aho»,

3na ny fanontanianao hoe: «Mampaninona Anao moa izany?

Inona no tombontsoako raha tsy manota aho?»

4Izaho no hiteny hamaly anareo miaraka,

dia ny tenanao mbamin’ireto namanao.

5Andrandrao ny lanitra ka diniho;

jereo ny rahona fa manerinerina amboninao!

6Raha manota ianao, hahakasika azy va izany?

Ary mampaninona azy moa ny fikomianao maro?

7Raha manao ny marina ianao,

hitondra inona aminy moa izany,

na inona no horaisiny avy aminao?

8Fa na ny tsara vitanao na ny ratsy nataonao,

dia ny olona toa anao ihany no iharany.

*

9Rehefa mafy loatra ny famoretana,

dia mitaraina ny olona;

ka miantso vonjy izy hiaro azy

amin’ny famelezan’ireo mahery.

10Nefa tsy mba misy manao hoe:

«Aiza Andriamanitra Mpanao ahy

sady mampihira fankalazana Azy amin’ny alina?

11Aiza Andriamanitra Izay mampianatra antsika

amin’ny alalan’ireo biby ambonin’ny tany

ary koa mampahahendry antsika

amin’ny alalan’ireo voromanidina?»

12Miantso vonjy ny olona ampahorîna

fa tsy mamaly azy Andriamanitra

satria mpirehareha sy ratsy toetra ireo.

13Eny, ilay Andriamanitra Tsitoha

dia tsy mihaino ny fitarainam-poana

sady tsy mba miraharaha izany.

*

14Ary dia sahinao lazaina aza, ry Jôba,

fa tsy mahita an’Andriamanitra ianao

sady mbola miandry Azy hatrany,

kanefa ny raharahanao efa mby eo anoloany;

15ankehitriny, heverinao fa tsy mihatra

ny fahatezeran’Andriamanitra;

ary tsy fantany akory ny fikomian’ny olona.

16Koa miloa-bava milaza hevi-poana ianao

ary mandahatra teny maro tsy misy dikany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help