Salamo 98 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ankalazao ny Tompo Izay tamy hifehy ny tany

1 Salamo nataon’i Davida.

Mihirà hira vao ho an’ny TOMPO

fa nahavita zava-mahagaga Izy!

Ny hery sy ny fahefana ananany

no nampiasainy hahazoam-pandresena.

2Dia nampahafantarin’ny TOMPO

izany fandresena izany;

teo anatrehan’ireo firenena

no nanehoany fa mpanafaka Izy:

3Tsy nohadinoin’ny Tompo, ry terak’i Israely,

ny naneho fitia sy toetra mahatoky tamintsika;

ka dia hitan’ny vahoaka hatrany am-paran’ny tany

fa nandresy tokoa ilay Andriamanitsika.

4Mihobia ny TOMPO, ry mponin’ny tany tontolo;

ataovy manakoako ny horakora-pifaliana

mbamin’ny feon’ireo zava-maneno.

5Mankalazà ny TOMPO

amim-baliha sy feon-kira;

6Mihobia ilay TOMPO Mpanjaka

amin’ny trompetra sy feon’anjomara.

7Aoka hirohondrohona ny ranomasina

mbamin’izay rehetra ao anatiny

ary aoka hiredona hira ny tany

sy ny mponina ao aminy!

8Aoka hiteha-tanana ny ony

ary aoka ny tendrombohitra hihoby

9mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy:

eny, tamy Izy mba hifehy ny tany;

dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy

ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help