Salamo 25 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ampahafantaro ahy ny sitraponao ary avelao ny hadisoako

1 Salamo nataon’i Davida

TOMPO ô, Ianao no ifantohako;

2Andriamanitra ô, Ianao no itokiako

ka aza avela ho diso fanantenana aho

na ho resy hifalian’ny fahavaloko!

3Izay rehetra miantehitra aminao

dia tsy mba ho diso fanantenana;

fa ireo mivadika aminao no ho menatra,

ka enga anie hitondra tanam-polo mody!

4TOMPO ô, ampahafantaro ny lalanao aho

ary ampianaro hiaina araka ny sitrakao.

5Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro,

satria Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy

sady hany ianteherako isan’andro.

6Tsarovy, TOMPO ô, fa hatrizay hatrizay

dia be indrafo sy be fitiavana Ianao.

7Koa hadinoy ny fahotako, fony aho tanora;

eny, hadinoy re izay hadisoana vitako;

nefa mba tsarovy kosa aho, TOMPO ô,

satria be fitiavana sy tsara fo Ianao.

8Tsara fo sy mahitsy tokoa ny Tompo

ka ny mpanota toroany lalan-kaleha,

9ny ory tarihiny amin’ny hitsiny

sady ampianariny ny sitrapony.

10Ny torohevitra rehetra ataon’ny TOMPO

dia maneho fitiavana tsy miova

ho an’izay manaraka ny baiko

raketin’ilay fanekempihavanany.

11TOMPO ô, mba ho voninahitrao,

dia avelao ny heloko na lehibe aza.

12Raha misy olona manaja ny TOMPO,

dia hotoroany ny làlan-kofidina koa izy.

13Hiaina amim-piadanana izany olona izany;

ary ny taranany no handova ny tany.

14Ireo mpanaja ny TOMPO

no anehoany ny tsiambaratelony,

satria ampahafantariny azy tokoa

izay raketin’ny fanekempihavanany.

15Banjiniko mandrakariva ny TOMPO,

fa Izy ihany no hanafaka ahy

amin’ny harato namandrihana ahy.

16Tompo ô, todiho aho ka iantrao

fa irery sady fadiranovana.

17Toneo ny tebitebin’ny foko

ary tsoahy avy ato an-katerena aho.

18Jereo ny fahoriako sy ny fijaliako,

ka avelao ny fahotako rehetra.

19Jereo ny hamaroan’ny fahavaloko,

sady loza tokoa ny fankahalàny ahy.

20Arovy re aho ka vonjeo;

aoka tsy ho diso fanantenana aho,

satria Ianao no fialofako!

21Miantehitra aminao aho, Tompo ô,

mba hiarovanao ahy hadio sy hahitsy.

22Andriamanitra ô, ilay Israely vahoakanao

mba afaho amin’ny zava-drehetra mahory azy!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help