Isaià 34 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny fitsarana an’i Edôma

1Manatòna handre, ry firenen-kafa,

ary mihainoa, ry vahoaka isan-tokony.

Aoka handre ny tany sy izay rehetra mameno azy;

aoka handre izao tontolo izao

sy ny vokatra rehetra avy aminy!

2Tezitra amin’ny firenen-kafa rehetra ny TOMPO

sady misafoaka amin’ny tafiny manontolo;

nasainy naringana ireny

ka natolony hovonoina.

3Izay voavono dia hariam-potsiny

ka hamofona maimbo ny fatiny;

ary handriaka ra ny tendrombohitra.

4Ny andian-tafiky ny kintana

dia ho potika hiraraka avokoa;

hihorona toy ny horonan-taratasy ny habakabaka;

ary toy ny fihintsan’ny ravim-boaloboka maina

na toy ny fihintsan’ny ravin’aviavy malazo

no hihintsanan’ny planeta aman-kintana.

5Eny ana habakabaka ilay sabatry ny TOMPO

no mandihindihy toa mamo,

ka indro miantonta hamely an’i Edôma,

dia ilay firenena voatendry haringana

mba ho famaizan’ny TOMPO azy.

6Feno ra ilay sabatry ny TOMPO

sady mihosina menaka,

dia ran’ny zanak’ondry sy osilahy

ary koa menaka avy amin’ny fonom-boany;

satria misy sorona ataon’ny TOMPO ao Bôtserà

ary fandringanana goavana ao amin’ny tany Edôma.

7Voaripaka miaraka amin’ireo koa ny ombimanga

mbamin’ny vantotr’omby sy ny ombilahy

ka vonton-dra ny tanin’ny Edômita

ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.

8Eny, andron’ny valifaty izany ho an’ny TOMPO

sady taona famaliana ho an’Ilay mpiaro an’i Tsiôna.

9Hanjary toy ny dity ny ranon-driakan’i Edôma,

hiova ho solifara ny vovo-taniny.

Hanjary sahan-dity mirehitra io tany io;

10ka tsy ho faty na andro na alina izany,

ary hiakatra tsy an-kijanona ny setroka;

hijanona ho tany hay hatrany hatrany i Edôma

ary tsy hisy handalo eo intsony mandrakizay.

11Ho kianjan’ny tararaka sy ny sokina izy

ary honenan’ny vorondolo sy ny goaika.

Hohenjanin’ny Tompo eo aminy

ny famolaina fandravana sy ny pilao fandrodanana.

12Tsy hisy andriana intsony hifidy mpanjaka

sady ho foana avokoa ny filohany rehetra.

13Haniry tsilo ny lapan’ny mpanjaka;

ary songosongo sy voaroy

no hanenika ny trano fiarovany.

Ho fonenan’ny amboadia

sy sehatry ny vorombe ireo,

14ho fihaonan’ny bibidia sy ny kary;

any no hifampitaona ireo osidia,

any no hiato sy hiala sasatra

ny lilîta mpandehandeha amin’ny alina.

15Any koa no hanao lavaka ny bibilava

ka hametraka ny atodiny sy hikotrika azy

ary hanara-maso ny fahafoizany.

Any koa no hivondronan’ny papango

samy araka ny andiany avy.

16Raha mitady ao amin’ny bokin’ny TOMPO ianareo,

dia ho afaka hamaky izao teny izao:

Tsy misy tsy ao ireo biby ireo na iray aza,

ary tsy misy sahirana mitady ny andiany

satria ny baikon’ny Tompo no nandidy izany

ary ny Fanahiny no nanangona azy.

17Antsapaka no nanendreny ny anjaran’ny tsirairay,

noraisiny ny famolaina hizaràna ny tany ho azy;

ireo no ho tompony hatrany hatrany

ka honina ao hatramin’ny taranaka mifandimby.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help