1Ny amin’ireo taranak’i Aharôna dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin’i Aharôna dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.
2Maty talohan-drainy sady tsy nanan-janaka i Nadaba sy i Abihò; koa dia i Elehazara sy i Itamara no nanao ny raharaha maha mpisorona.
3Tatỳ aoriana, dia i Davida sy i Tsadôka taranak’i Elehazara mbamin’i Ahimelèka taranak’i Itamara, no nitsinjara ireo taranak’i Aharôna ho antokony araka ny tandrifin’ny fanompoany avy.
4Hita ho maro kokoa ireo lehilahy loham-pianakaviana tamin’ny taranak’i Elehazara noho ny tamin’ny taranak’i Itamara; ka ny taranak’i Elehazara dia notsinjaraina hisy loham-pianakaviana 16, ary ny taranak’i Itamara dia notsinjaraina hisy loham-pianakaviana valo.
5Samy natao antsapaka ny fitsinjarana azy rehetra, satria samy mpiandraikitra ny Toeramasina sy mpiandraikitra ny raharahan’Andriamanitra, na ny avy tamin’ny taranak’i Elehazara na ny avy tamin’ny taranak’i Itamara.
6I Semahià, izay zanakalahin’i Natanaela sady mpitantsoratra anankiray anisan’ny levita, no nanoratra izany fitsinjarazarana izany teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka, teo anatrehan’i Tsadôka mpisorona sy i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: hatrany hatrany, dia fianakaviana roa no nalaina antsapaka tamin’ny terak’i Elehazara, vao iray kosa tamin’ny terak’i Itamara.
7Ny antsapaka voalohany dia azon’i Jôiariba; ny faharoa, azon’i Jedahià;
8ny fahatelo, azon’i Harima; ny fahefatra, azon’i Sehôrima;
9ny fahadimy, azon’i Malkià; ny fahenina, azon’i Miamîna;
10ny fahafito, azon’i Hakôtsa; ny fahavalo, azon’i Abià;
11ny fahasivy, azon’i Jesoa; ny fahafolo, azon’i Sekanià;
12ny faha-11, azon’i Eliasiba; ny faha-12, azon’i Jakima;
13ny faha-13, azon’i Hopà; ny faha-14, azon’i Jesebaba;
14ny faha-15, azon’i Bilgà; ny faha-16, azon’i Imera;
15ny faha-17, azon’i Hezira; ny faha-18, azon’i Hapitsetsa;
16ny faha-19, azon’i Petahià, ny faharoapolo, azon’i Ezekiela;
17ny faha-21, azon’i Jakina; ny faha-22, azon’i Gamola;
18ny faha-23, azon’i Delaià; ny faha-24, azon’i Mahazià.
19Izany no fitsinjarana ny taranak’i Aharôna ho antokony amin’ny fanompoany avy, mba hahatongavany ao an-tranon’ny TOMPO; araka ny fitsipika izay tena nifandraika tamin’ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no nampitan’i Aharôna razambeny azy.
Lisitra fanampiny momba ny levita20Ny amin’ireo levita sisa dia izao:
Tamin’ny taranak’i Hamrama dia i Sobaela; ary tamin’ny zanakalahin’i Sobaela dia i Jehedeià.
21Tamin’ny zanakalahin’i Rehabià dia i Jisià no filohany.
22Tamin’ny zanakalahin’i Jitsehara dia i Selômôta; ary tamin’ny zanakalahin’i Selômôta dia i Jahata.
23Tamin’ny zanakalahin’i Hebrôna dia i Jerià no lahimatoa, i Amarià no lahiaivo, i Jahaziela no fahatelo ary i Jekamehama no faralahy.
24Ny zanakalahin’i Hoziela dia i Mikà; ary tamin’ny zanakalahin’i Mikà dia i Samira.
25I Jisià no rahalahin’i Mikà; ary tamin’ny zanakalahin’i Jisià dia i Zakarià.
26Ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahilỳ sy i Mosỳ ary i Jahazià.
27Ny zafin’i Merarỳ, tamin’i Jahazià zanany, dia i Sôhama sy i Zakora ary i Hibrỳ;
28ny zafin’i Merarỳ, tamin’i Mahilỳ, dia i Elehazara (izay tsy nanan-janakalahy)
29sy i Kisy (izay i Jerahimeela no isan’ny zanakalahiny).
30Ny zanakalahin’i Mosỳ kosa dia i Mahilỳ sy i Hedera ary i Jerimôta.
Ireo no taranaky ny levita araka ny fianakaviany avy.
31Toraka ireo rahalahiny, taranak’i Aharôna, ny levita koa dia mba notsinjaraina fanompoana tamin’ny antsapaka teo anatrehan’i Davida mpanjaka, teo anatrehan’i Tsadôka sy i Abimelèka, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: samy natao antsapaka mifanarakaraka na ny fianakavian’ny zokiny na ny fianakavian’ny zandriny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.