Tôbita 3 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny vavaka nataon’i Tôbita

1Nalahelo mafy aho ka velon-tsento sy rotsa-dranomaso; avy eo dia mbola nisentosento hatrany aho no rafitra nivavaka hoe:

2«Tompo ô, mpandala ny rariny Ianao,

ka ara-drariny avokoa ny asanao.

Feno indrafo sy azo antoka ny sori-dalanao;

Ianao no mpitsara izao tontolo izao.

3Koa ankehitriny, Tompo ô,

mba tsarovy aho ary mba tsinjovy.

Aza amaizanao ahy ny fahotako

na ny hadisoana nataon’ny tenako sy ireo razako,

dia ny hadisoana nanoheranay Anao.

4Tsy nankatò ny didinao izahay,

ka navelanao hiharan’ny fandrobana

sy ny fahababoana mbamin’ny fahafatesana;

navelanao ho fihomehezana izahay

ary koa ho fandatsa sy ho fanevateva

teo amin’ny firenena rehetra nanelezanao anay.

5Eny, Tompo ô, marina ny fitsaranao rehetra

rehefa faizinao aho noho ny fahotana

izay nataon’ny tenako sy ireo razako;

satria tsy nanatanteraka ny didinao izahay

ary tsy nizotra ara-pahamarinana teo anatrehanao.

6Ankehitriny kosa ataovy izay sitrakao amiko.

Aoka mba halainao ny aiko,

hany ka ho fongotra eto an-tany aho

ary ho tonga vovoka indray!

Tsara kokoa amiko ny ho faty noho ny ho velona,

satria fanevatevana ahy tsy an-drariny no reko

sady alahelo goavana no manototra ahy.

Tompo ô, mba afaho amin’izao fahoriako izao aho,

ary avelao hiditra any amin’ny fonenana mandrakizay;

Tompo ô, aza ahodina tsy hiatrika ahy ny endrikao.

Tsara kokoa amiko ny ho faty

noho ny hianjadiam-pahoriana goavana

amin’ny androm-piainako

sy handre ny tenako voatevateva.»

I Sarà notebahin’ilay mpanompovaviny

7Androtr’io ihany koa, dia izao no nihatra tamin’i Sarà zanakavavin’i Ragoela sady nipetraka tao Ekbatàna, tanànan’i Media. Nandre ny mpanompovaviny nanevateva azy koa i Sarà tamin’izay.

8Lehilahy fito manko no efa samy namoahana an’i Sarà ho vady; saingy mbola tsy naka ity vavy hiray trano akory izy araka ny adidin’ny lahy amim-bady, dia nisy demony mahatsiravina atao hoe Hasmodeo namono nahafaty azy. Ka hoy ity mpanompovavy tamin’i Sarà:

–Ianao mihitsy no mamono mahafaty ny vadinao! Lehilahy fito no efa namoahana anao, kanefa tsy nisy nentinao anarana akory na iray aza.

9Nahoana no mampijaly anay ianao amin’ireo vadinao efa maty ireo? Ndeha ianao mitambatra aminy; ary aoka avy aminao tsy hahitana zazalahy na zazavavy na oviana na oviana!

10Nalahelo fatratra i Sarà tamin’io andro io, rehefa nandre izany teny izany; ka sady nitomany izy no niakatra nankao amin’ilay efitrano ambony rihana tamin’ny tranon-drainy ary nikasa hananton-tena. Kanefa nandinika izy ary niteny anakampo hoe: «Tsy hotevatevain’ny olona ve ny raiko ka hilazany hoe: ‹Zanakavavy tokana nankamamîna no mba nanananao, kanefa dia nananton-tena noho ny fahoriana nanjo azy!› Ny alahelo hianjady amin’ilay raiko efa antitra dia hampidina azy any am-pasana. Toy izay aho hanaton-tena, dia tsara kokoa amiko ny mitalaho amin’ny Tompo mba hamela ahy ho faty; ary dia tsy handre fanevatevana toy ny amin’izao androm-piainako izao intsony aho.»

Ny vavaka nataon’i Sarà

11Teo no ho eo ihany i Sarà dia nitodika tany amin’ny varavarankely ary nanandra-tanana hivavaka sady niteny hoe:

«Ankalazaina Ianao, ry Andriamanitra mpamindrafo ô;

eny, ankalazaina mandrakizay ny anaranao.

Aoka ny asanao rehetra hankalaza Anao mandrakizay!

12Mitodika aminao aho ankehitriny;

Ianao no ifantohan’ny masoko.

13Ataovy miala amin’ity tany ity aho

mba tsy handre fanevatevana intsony.

14Tompo ô, fantatrao fa madio aho;

tsy mbola nisy fahalotoana nataoko tamin-dehilahy.

15Tsy mbola nalako baràka

na ny anarako na ny an-draiko

taty amin’ny tany mahababo ahy aty.

Vavy tokana aho no an-draiko;

tsy nanan-janaka hafa handova izy,

tsy manan-drahalahy na havana akaiky

mba afaka hanambady ahy

ka hitahirizako ny tenako ho velona.

Efa maty vady impito aho,

ka inona intsony no mbola hiainako?

Raha tsy sitrakao kosa, Tompo ô,

ny hamela ahy ho faty,

dia mba henoy hiarovanao ahy

ny fanevatevana atao amiko.»

Nirahina hanampy an’i Tôbita sy i Sarà ny anjely Rafaela

16Teo no ho eo ihany ny vavaka nataon’i Tôbita sy i Sarà dia tafapaka teo anatrehan’Andriamanitra be voninahitra ary nohenoiny.

17Koa ny anjely Rafaela no voairaka hanasitrana an’i Tôbita sy i Sarà. Tokony hataony miala teo amin’ny mason’i Tôbita ny pentina fotsy mba hahitany indray ny fahazavàn’Andriamanitra; i Sarà zanakavavin’i Ragoela kosa tokony hataony afaka amin’i Hasmodeo ilay demony mandoza ary homeny ho vadin’i Tôbià zanakalahin’i Tôbita. Io Tôbià io manko no manan-jo hanana azy ho vady alohan’ny olon-kafa rehetra mpiandrandra azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help