Eksôdy 11 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fanambaràna ny loza farany

1Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Mbola asiako loza iray farany ny Farao sy ny Ejiptianina. Aorian’izany vao halefany handeha ianareo; ary horoahiny tanteraka aza ianareo hiala eto.

2Koa ambarao amin’ny Israelita fa ny tsirairay na lahy na vavy dia aoka samy hangataka firavaka sy volamena amin’ny Ejiptianina akaiky azy avy.

3Nataon’ny TOMPO nahita sitraka teo imason’ny Ejiptianina ny Israelita. I Mosesy koa dia lehilahy najaina fatratra tany Ejipta na teo amin’ny tandapan’ny Farao na teo amin’ny vahoaka Ejiptianina.

4Ka hoy i Mosesy tamin’ny Farao:

–Izao no lazain’ny TOMPO: «Rehefa tokony ho misasakalina dia hipoitra eo anivon’i Ejipta Aho.

5Koa ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra ao amin’ny tany Ejipta, manomboka amin’ny lahimatoanao Farao izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny mpanompovavy mpanodina ny fikosoham-bary ary ny lahimatoan’ny biby fiompy rehetra.

6Hanako eran’i Ejipta ny fidradradradrana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy, sady tsy hisy ho toa azy intsony.

7Fa ao amin’ny Israelita rehetra kosa dia tsy handrenesana na inona na inona, na dia ny vovòn’alika amin’ny olona sy amin’ny biby fiompy aza. Izay no hahafantaranareo fa Izaho TOMPO dia manavaka ny Ejiptianina amin’ny Israelita».

8Ary ireto mpanomponao ireo dia ho avy hiankohoka eo anatrehako sady hiteny hoe: «Mandehana any ianao sy ny vahoakanao!» Dia handeha miaraka amin’izay aho.

Dia niala tao amin’ny Farao i Mosesy sady feno hatezerana.

9Ary hoy Koa ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Raha toa tsy mihaino anao ny Farao, dia ny mba hahazoako mampitombo ny zava-mahagaga hataoko eo amin’ny taniny.

10I Mosesy sy i Aharôna anefa dia efa nanao zava-mahagaga maro teo anatrehan’ny Farao, saingy ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita hiala tao amin’ny taniny izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help