Bena-Siràka 6 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Aza mivadika ho fahavalon’ilay sakaizanao taloha,

fa ny laza ratsy no mahamenatra sy mahafa-baràka:

izany no ho anjaran’ny mpanota miroa lela.

2Aza manandra-tena amin’ny fikasanao

fandrao ny herinao ho montsamontsana

tahaka ny ombalahy voarasarasa.

3Ho toy ny hazo lany ravina sy foana voankazo ianao,

hany ka hazo maina sisa no hamelanao ny tenanao.

4Ny fanirian-dratsy dia mahavery izay manana azy

ka mahatonga azy ho fihomehezan’ny fahavalony.

Ny fisakaizana(Jereo 12.8-18; 37.1-6; Ohab 17.17)

5Ny teny mamy no mahabetsaka ny sakaiza,

ary ny fomba fiteny malemy paika

no mampitombo ny fifandraisana tsara.

6Aoka ho maro izay olona mifampiarahaba aminao,

nefa aoka iray monja amin’arivo no ho mpanolotsainao!

7Raha te hahazo sakaiza ianao,

fisedrana azy no aoka hahazoanao azy

fa aza mba malaky matoky azy!

8Misy manko sakaiza manao an’androny,

fa tsy ho eo intsony izy amin’ny andro mahory anao;

9misy koa sakaiza mivadika ho fahavalo,

ka hanambara ny adinareo hahamenatra anao;

10ary misy sakaiza hiara-misakafo aminao,

fa tsy ho eo intsony izy amin’ny andro mahory anao.

11Rehefa ambinina ianao, dia hiahy volo aminao izy

ka ho sahy hanome baiko an’ireo mpanomponao;

12raha avy kosa izay hietrenao, dia hanohitra anao izy

ary lasa hiery tsy ho hitanao intsony.

13Aoka ianao hisaraka amin’ny fahavalonao,

ary hitandrina ny amin’izay mihambo ho sakaizanao.

14Ny sakaiza mahatoky dia fiarovana azo antoka

ka nahita raki-tsoa izay nahita azy;

15tsy misy soa azo atakalo ny sakaiza mahatoky,

tsy hay tombanana ny maha sarobidiny azy.

16Ody aina ny sakaiza mahatoky;

izay manaja ny Tompo no hahita azy.

17Izay manaja ny Tompo no mampahitsy fisakaizana

satria izay toetrany no hotahafin’ilay namany.

Fahazoam-pahendrena

18Anaka, raha vao manomboka ny hatanoranao,

dia meteza hanovo fanabeazana ianao;

ary hahazoanao ny fahendrena izany

mandra-pahatongan’ny fahanteranao.

19Aoka hanatona ny fahendrena ianao,

ka toy ny mpiasa tany na ny mpamafy

no iandraso ny voka-tsoa avy aminy:

hisahirananao ihany manko ny mamboly azy,

fa vetivety ianao dia hihinana ny vokany.

20Sarotra tokoa ny mahazo fahendrena

ho an’izay tsy manam-panabeazana;

ka tsy haharitra mifikitra aminy

raha ny olona tsy ampy fisainana:

21toy ny vato ngeza ny fahendrena ho azy,

ka hobatainy hitsapany herin-tena,

nefa tsy ho ela akory dia hakifiny.

22Araka ny anarany tokoa ny fahendrena,

ka olom-bitsy ihany no isehoany.

23Anaka, mba henoy aho ka raiso ny hevitro

ary aza lavinao ny tolotsaina omeko.

24Ao amin’ny parapaingon’ny fahendrena

no aoka hampidiranao ny tongotrao

ary ao amin’ny gadrany ny vozonao!

25Aondreho ny sorokao hibaby ny fahendrena

ary aza sosotra ianao amin’ny fatorany;

26Aoka ho amin’ny fonao manontolo

no hankanesanao eo aminy,

ary aoka ho amin’ny herinao manontolo

no hanarahanao ny sori-dalany!

27Ataovy tsongo dia izy ary katsaho,

fa hiseho aminao ka ho fantatrao;

ary rehefa voatazonao izy,

dia aza avela ho votsotra.

28Fiadanana vokatry ny fahendrena

no ho hitanao amin’ny farany,

ka hanjary fifaliana ho anao izy.

29Ny parapaingony ho fiarova-mahery ho anao,

ary ny gadrany ho fitafiam-boninahitra.

30Eny, toa firavaka volamena ny ziogany

ary toa dantelina volomparasy ny fatorany.

31Hiakanjonao toa fitafiam-boninahitra izy

ary hisotrohanao ho fehiloham-piravoana.

32Anaka, raha tianao, dia hobeazina ianao;

ary raha miezaka ianao, dia hahay.

33Raha mazoto mihaino ianao, dia hahazo fianarana;

ary raha manongilan-tsofina, dia ho tonga hendry.

34Mitoera eo amin’ny fivorian’ny anti-panahy;

ny olon-kendry no aoka hiraiketanao fo!

35Aoka ho satrinao hohenoina

ny teny rehetra momba an’Andriamanitra,

ary aoka tsy hidify aminao

ny ohabolana mampisaintsaina!

36Raha mahita olona mahira-tsaina ianao,

vao maraina dia tongava eo akaikiny;

ary ataovy masaky ny tongotrao

ny ambaratonga mankeo am-baravarany.

37Eritrereto ny baikon’ny Tompo,

ary saino mandrakariva ny didiny;

fa izy mihitsy no hankahery ny fonao,

ary ny fahendrena irînao dia homeny anao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help