Tsefanià 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Izao no teny nomen’ny TOMPO an’i Tsefanià tamin’ny andro nanjakan’i Jôsià zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda. I Tsefanià dia zanakalahin’i Kosỳ, zafikelin’i Gedalià, zafiafin’i Amarià ary zafindohalik’i Hezekià.

Hirotsaka hamely ny tany tontolo Andriamanitra

2Izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO:

«Holevoniko avokoa ny aina rehetra

eto ambonin’ny tany.

3Hopotehiko ny olona sy ny biby

ary ny vorona mbamin’ny trondro;

haringako ny ratsy fanahy

sy ny asa manafintohina ataony.

Tsy avelako hisy olona na dia iray aza

eto ambonin’ny tany.

Teny hentitra avy amiko TOMPO izany».

Ny hamelezan’Andriamanitra an’i Joda sy i Jerosalema

4«Hirotsaka hamely ny mponin’i Jerosalema

sy ny vahoaka rehetra ao Joda Aho.

Hofoanako tsy hisy amin’ity toerana ity

ny zavatra sisa rehetra

tamin’ny fanompoana an’i Bahala;

eny, hofoanako hatramin’ny fahatsiarovana

ireo mpisoron’io andriamani-tsiizy io koa aza.

5Hopotehiko izay miakatra an-tafon-trano

mba hivavaka amin’ireo zavatra

eny amin’ny lanitra,

dia izay mivavaka sy mianiana amiko TOMPO

nefa manao izany koa amin’i Milkôma.

6Holevoniko izay mihataka miala amiko TOMPO

ka tsy mitady AHY sady tsy mila hevitra amiko.»

7Mangina eo anatrehan’ny Tompo ANDRIANANAHARY

fa efa akaiky ny andro hirotsahany an-tsehatra!

Efa nanomana sorona ny TOMPO,

ary efa nanadio ireo olona nasainy.

8Izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO:

«Amin’izany andro hanaovako sorona izany

dia hofaiziko ny mpitondra sy ny zanaky ny mpanjaka

ary izay rehetra manaraka fomba fitafy vahiny.

9Amin’izany andro izany dia hofaiziko avokoa

izay rehetra mandingana ny tokonan-tempoliny

sy izay rehetra mameno ny tranon’ny tompony

amin’ny harena azo an-kosoka sy an-keriny.

10Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra lazaiko,

ao Jerosalema dia handrenesana

kiaka mafy eo am-bavahadin-trondro

sy fitomaniana ao Antanambao

ary firodanan-trano eny amin’ny havoana.

11Midradradradrà ianareo,

ry mponina an-tanàna ambany,

fa ho faty avokoa ny mpivarotra,

ho lany ringana avokoa ny mpandranto.

12Amin’izay fotoana izay dia handray fanala Aho

ary hosavaiko ny tanànan’i Jerosalema;

ka hofaiziko ny olona izay mandry fahalemana

toy ny faikan-divay efa mifetaka,

dia izay manao anakampo hoe:

«Sady tsy hanao soa ny TOMPO no tsy hanao ratsy!»

13Koa dia hobaboina ny hareny

ary horavana ny tranony;

hanao trano izy

nefa tsy hitoetra ao;

hamboly voaloboka izy,

nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

Ny andron’ny Tompo

14Manakaiky ilay andro lehibe hiavian’ny TOMPO,

manakaiky sady ho tamy faingana tokoa.

Vao migadona izany dia kiakam-pahakiviana,

fa na ny lehilahy mahery fo aza

dia hiantsoantso mafy vonjeo!

15Ho androm-pahatezeran’ny TOMPO izany,

ho androm-pahoriana sy tebiteby,

ho androm-paharavana sy fahapotehana,

eny, ho andro maizina mikitroka,

ho andro rako-drahona sy zavona.

16Izany andro izany no handrenesana ny miaramila

hitsoka trompetra sy hanao akoran’ady

hamelezana ireo tanàna mimanda

sy ny tilikambo avo eny amin’ny zorony.

17Hoy ny TOMPO hoe: «Hampahorîko ny olona

ka hitsapatsapa toy ny jamba,

noho izy efa nanota tamiko;

ka ny rany dia hiraraka toy ny vovoka,

ary ny fatiny ho lo tahaka ny zezika.»

18Amin’ny androm-pahatezeran’ny TOMPO,

dia samy tsy hahavonjy ny olona

na ny volafotsiny na ny volamenany.

Fa hiredareda ny fahasaro-piaron’ny TOMPO

ka handevona ny tany tontolo.

Eny, hahatsiravina tokoa izany,

satria haringan’ny TOMPO

ny mponina rehetra amin’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help