Eksôdy 19 - Malagasy Bible Interconfessionelle

MANAO FANEKEMPIHAVANANA AMIN’I ISRAELY ANDRIAMANITRAMandroso fanekempihavanana amin’i Israely ny TOMPO

1Ny andro voalohany tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta no nahatongavany tao an-taniefitr’i Sinay.

2Niala tao Refidima manko izy ireo ka nitsofoka tao an-taniefitr’i Sinay, dia nitoby tao an-taniefitra, tandrifin’ny tendrombohitra Sinay.

3Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin’Andriamanitra.

Dia niantso an’i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe:

–Izao no hambaranao amin’ny taranak’i Jakôba, dia ny Israelita.

4«Efa hitanareo izay nanaovako ny Ejiptianina, efa hitanareo koa ny nitondrako anareo atỳ ho eto anilako toy ny itondran’ny voromahery ny zanany eo amin’ny elany.

5Koa ankehitriny, raha mihaino tsara izay lazaiko ianareo ka manaja ny fanekempihavanako, dia hanjary vahoaka sarobidy manokana ho Ahy eo amin’ny firenena rehetra. Fa Ahy manko ny tany manontolo,

6saingy ianareo kosa dia ho fanjaka-mpisorona ho Ahy, ho firenena voatokana hanompo Ahy.» Ireo no teny izay hambaranao amin’ny Israelita.

7Niverina teo an-toby i Mosesy, nampiantso ny loholon’i Israely ary nampita tamin’izy ireo ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO azy.

8Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe:

–Izay rehetra nandidian’ny TOMPO dia hataonay!

Dia notaterin’i Mosesy tamin’ny TOMPO ny valin-tenin’ny Israelita.

9Koa hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Indro hankeo aminao Aho, hiafina ao anatin’ny rahona matevina, mba handrenesan’ny Israelita Ahy miresaka aminao, ka hatokiany anao hatrany hatrany.

Dia naverin’i Mosesy teo anatrehan’ny TOMPO ny valin-tenin’ny vahoaka.

Mihaona amin’i Mosesy eo an-tendrombohitra Sinay ny TOMPO

10Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Miverena any amin’ny vahoaka, ka ilazao izy mba hanoman-tena anio sy rahampitso; ary ampanasao azy koa ny fitafiany.

11Aoka izy ho vonona ho amin’ny rahafakampitso, fa amin’io andro io dia ho hitan’ny vahoaka rehetra hidina eo an-tendrombohitra Sinay AHO.

12Farito ny manodidina ny tendrombohitra, ka asaovy mitandrina ny olona mba tsy hianika ny tendrombohitra na hanatona ny sisiny akory, fa izay rehetra manatona ny tendrombohitra dia hatao maty.

13Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipîka. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany.

14Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin’ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo.

15Ary hoy izy taminy:

–Miomàna ianareo ho amin’ny rahafakampitso. Aza mikasika vehivavy akory!

16Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra. Injany nisy feon’anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby.

17Nasain’i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin’Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.

18Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan’ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin’ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo.

19Nihamafy hatrany ny feon’ny anjomara sady nihalava reny. Ary rehefa niteny tamin’Andriamanitra i Mosesy, dia novaliany tao anaty kotroka.

20Nidina nankeo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an’i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.

21Ary hoy ny TOMPO taminy:

–Ndeha midina ianao hampitandrina ny vahoaka fandrao hirohotra hijery AHY izy ka ho maro no ho faty aminy.

22Na dia ny mpisorona izay mahazo manatona AHY aza dia tsy maintsy hanoman-tena fandrao mahafaty azy AHO.

23Ary hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO:

–Tsy afaka hiakatra eto Sinay ny vahoaka, satria Ianao ihany no efa nandidy anay mba hamaritra ny tendrombohitra ka hanavaka azy.

24Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Ndeha midina ianao, ka ento miakatra miaraka aminao i Aharôna. Nefa aoka ireo mpisorona sy ny vahoaka tsy hirohotra hiakatra atỳ amiko, fandrao hamely azy ho faty Aho.

25Dia nidina nankeo amin’ny vahoaka i Mosesy ary niteny taminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help