1Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Midradradradrà ny amin’ny andro ho avy ianareo!
3Fa antomotra izy, eny, antomotra ny androm-pamaizan’ny TOMPO. Ho andro vesaran-drahona izany, ary fotoana hifamelezan’ny firenena.
4Hiditra any Ejipta ny ady, ka hampangorohoro hatrany Etiôpia izany. Hiampatrampatra ny fatin’ny Ejiptianina, ary horobaina ny hareny ka hatao rava mbamin’ny fanorenany.
5Ny olona avy any Etiôpia sy Pota ary Loda, ny olona avy any Arabia manontolo sy Libia, mbamin’ny teraky ny vahoakako aza, dia hisy ho faty an’ady.
6Izao no lazain’ny TOMPO: Hatreo Migdôla any avaratra ka hatrany Asoana any atsimo dia ho faty an’ady ireo mpiaro an’i Ejipta, ary ho fefika ny tafiny miavonavona; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
7Ho rava dia ho rava ny taniny, ary ho lao dia ho lao ny tanànany.
8Ary rehefa hodorako amin’ny afo i Ejipta sady haringako ireo rehetra mpiaro azy, dia hoekena amin’izay fa Izaho no TOMPO.
9Amin’izany andro handravako an’i Ejipta izany, dia hisy iraka avy amiko handeha an-tsambo hampandre ny Etiôpianina; ka izy no hampatahotra sy hampangorohoro ny Etiôpianina izay mitoetra tsy manahy. Eny, indro avy izany andro izany.
10«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Hampiasaiko i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna mba handringana ny mponina maro ao Ejipta.
11Ho avy handrava io tany io izy mbamin’ny miaramilany, izay loza indrindra raha samy tafi-pirenena. Hanatsoaka sabatra hamely ny Ejiptianina ireny ka hameno faty ny tany.
12Horitiko ny sakeli-dranon’i Neily ary hatolotro an’ireo olon-dia i Ejipta. Hasaiko simban’ny vahiny izy, ka hofaohiny mbamin’izay rehetra ao aminy. Izaho TOMPO no miteny izany.
13«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Horavako tanteraka ireo sampy sy andriamani-tsiizy an’i Memfîsa. Tsy hisy mpitondra intsony any Ejipta ary hataoko manenika io tany io ny tahotra.
14Hosimbako i Ejipta ambony, hodorako amin’ny afo ny tanànan’i Tsôhàna ary hampihariko ny didim-pitsarako hamelezana ny tanànan’i Nao.
15Hatosako ao Sina izay tanànamimanda miaro an’i Ejipta ny fahatezerako ary hofongorako ny mponina maro ao Nao.
16Hodorako amin’ny afo i Ejipta. Hisavoritaka ny mponina ao Sina; ary hisy vaky ny mandan’i Nao ka ho safotry ny rano ilay tanàna.
17Ho faty an’ady ny tovolahin’i Ôna sy i Py-Beseta, ary ny mponina sisa dia hoentina ho babo.
18Tsy hisy andro mihiratra intsony ao Tahapanehesa rehefa hopotehiko ny herin’i Ejipta ary hatsahatro ny fireharehany. Hisy rahona mainty handrakotra ny tanàna, ary ho lasan-ko babo ny mponina amin’izany faritra izany.
19Hampihariko ny didim-pitsarako hamelezana an’i Ejipta, ka hoekena amin’izay fa Izaho no TOMPO.»
Fitaovana ampiasain’Andriamanitra ny mpanjakan’i Babilôna20Tamin’ny taona faha-11 taorian’ny fahababoana, nony andro fahafiton’ny volana voalohany, dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
21«Ry ilay taranak’olombelona, nopotehiko ny sandrin’ny Farao
mpanjakan’i Ejipta. Tsy nisy nitsabo na nanome fanafody azy, tsy nisy namehy ny feriny mba hampody ny heriny hahatan-tsabatra indray.22Koa Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hirotsaka hamely ny Farao mpanjakan’i Ejipta Aho. Ny sandriny roa mihitsy no hopotehiko, tsy ilay efa potika ihany fa ilay mbola matanjaka koa, ka hataoko latsaka avy eny an-tanany ny sabany!
23Ary haeliko any amin’ireo firenena sy haparitako any amin’ny tany samy hafa ny Ejiptianina.
24Homeko tanjaka ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna ka ny sabatro mihitsy no hapetrako eo an-tanany. Ary ny Farao, izay efa nopotehiko ny sandriny, dia ho faty mitoloko toy ny voaratra eo anoloan’ny fahavalony.
25Eny, hiraviravy tsy hanan-kery ny sandrin’ny Farao; fa homeko tanjaka kosa ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka ny sabatro mihitsy no hapetrako eo an-tanany sy harangarangany hamelezana an’i Ejipta. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.
26Haeliko any amin’ireo firenena sy haparitako any amin’ny tany samy hafa ny Ejiptianina; ka amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO›. »
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.