Tononkiran'i Salômôna 8 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Raha mba no anadahiko moa ianao,

ka ninono tamin’ny nonon’i neny!

Ho afaka manoroka anao aho,

rehefa tojo anao eny ivelany eny,

ary tsy hisy sahy hanakiana ahy.

2Hoentiko any an-tranon’i Neny ianao

mba hampianatra ahy ny fitiavana;

dia divay nolaroina zava-manitra

sy ranon’ampongabendanitro

no hampisotroiko anao.

3Manondana ahy ny sandriny ankavia

ary mamihina ahy ny sandriny ankavanana.

4«Ry tovovavin’i Jerosalema ô,

miangavy mafy anareo aho hoe:

Aza tairina na fohazina ilay tiako

raha tsy efa sitrapony!»

(Ireo tovovavy)

5Iza moa irỳ miakatra avy any an-taniefitra

mitehina amin’ny malalany?

Ny herin’ny fitiavana (Ravehivavy)

Eo ambanin’ny hazo paoma

no amohazako anao,

fa toerana nahatorontoronina anao

sy toerana niterahan-dreninao anao.

6Ataovy eo ambonin’ny fonao aho

toy ny tombokasenao manokana;

ary tazony eo an-tsandrinao aho

toy ny vato voasokitra ho anao.

Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana,

tsy mifaditrovana toy ny toeran’ny maty

ny fitiavana mirehidrehitra.

Lelafo miredareda tokoa izy

ary mahery vaika toy ny varatra.

7Na dia ny ranomasimbe aza

tsy mahafaty ny afon’ny fitiavana;

ary ny ranoben’ireo ony

tsy mahasarona azy ho rendrika.

Na dia misy aza olona hanome

ny fananany rehetra ao an-tranony

mba hividianana ny fitiavana,

dia ho afa-baràka fotsiny izy.

(Ireo anadahin-dravehivavy)

8Manana anabavy iray izahay,

saingy mbola kely tsy misy nono izy.

Hataonay ahoana ny anabavinay,

raha tonga ny andro hangatahana azy?

9Raha no manda fiarovana izy,

dia tilikambo volafotsy

no hatsanganay eo an-tampony;

Fa raha no varavara-mivoha izy,

dia bara hazofisaka sedera no hanidianay azy.

(Ravehivavy)

10Manda fiarovana aho;

ireo nonoko no toa tilikambo.

Eo imason’ny malalako aho

dia ilay hampiadam-pinaritra azy.

(Ralehilahy)

11Manan-tanimboaloboka iray

ao Bahala-Hamôna i Salômôna;

nahofany tamin’ny mpiandry voly izany

ka sekela volafotsy arivo no sandany.

12Masi-mandidy amin’ny ahy aho,

dia ny tanimboaloboko izany;

ny sekela arivo kosa no anao, ry Salômôna,

ary ny sekela roanjato ho an’ireo mpiandry voly.

13Ry ilay tsaratarehiko

izay mitoetra ao an-jaridaina,

misy namako te hihaino ny feonao;

kanefa dia izaho ihany

no ampandreneso anao miteny hoe:

14«Mandosira, ry malalako;

ary aoka ianao ho mailamailaka

toy ny gazela na ny diera tanora

no manketỳ Ambohimanitra.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help