Fitomaniana 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle

I Jerosalema toy ny vehivavy mpitondratena nilaozana

1Indrisy! Mitoetra manirery izao

ilay tanàna feno olona fahiny!

Tonga toy ny mpitondratena

ilay nalaza tamin’ireo hafa firenena;

manao ny asan’ny mpanompo izao

ilay andriambavy nifehy faritany maro!

2Mitomany foana izy amin’ny alina,

mirotsa-dranomaso eny an-takolany;

izay rehetra tia azy

dia tsy misy mampionona azy.

Nanary azy avokoa ny sakaizany,

ary tonga fahavalony ankehitriny.

3Difotry ny fahoriana sy vesaram-panompoana

no lasan-ko babo ny fokon’i Joda.

Mitoetra any amin’ny hafa firenena izy izao

kanefa tsy mahita hifaharana.

Izay rehetra mpanenjika azy

dia nahatratra azy an-katerena.

4Misaona ny lalana mankany Tsiôna

satria tsy misy miakatra amin’ny fety.

Mangina avokoa ny kianjany

ary sentom-pahakiviana no ataon’ny mpisorony.

Ory fatratra ireo tovovaviny,

ka mangidy amin’i Tsiôna izany!

5Ny fahavalony no lasa ambony

ary ny mpiady aminy no miadana;

satria ny TOMPO no mampahory an’i Tsiôna

noho ireo fahadisoany maro.

Atosi-pahavalo ireo zanany madinika

no lasa ho any an-tsesitany.

6Miala avy ao Tsiôna

izay rehetra nireharehany;

ary ny mpitondrany dia toy ny diera

tsy mahita ahitra hiraofana,

ka tsy manan-kery no mandositra

eo anoloan’ny mpihaza azy.

7Amin’izany androm-pahoriana irenireneny izany

no ahatsiarovan’i Jerosalema

ireo zava-tsarobidy rehetra

izay nananany hatry ny ela.

Ireo vahoakany eo an-tanam-pahavalo kosa

dia tsy misy mamonjy;

ka rehefa mahita an’i Jerosalema ny fahavalony,

dia mihomehy ny amin’ny faharavàny.

8Efa nanota dia nanota i Jerosalema,

ka izany no mahatonga azy ho fako maharikoriko.

Izay rehetra nanaja azy mamingavinga

satria mahita azy mitanjaka.

Na ny tenany aza dia misento

sady lasa nihodina.

9Ny lotony dia eo amin’ny akanjony;

tsy nahatsinjo ny hoavy izy

ka gaga noho ny fietreny toy izao,

tsy misy mampahery azy akory.

«TOMPO ô, jereo ity fahoriako, hoy izy,

fa mirehareha ny fahavaloko!»

10Naninji-tanana ireo mpandresy

haka ny zava-tsarobidiny rehetra.

Hitan’i Jerosalema aza fa ny hafa firenena

dia nitsofoka tao amin’ny Toeramasina;

nefa noraranao ireny, Tompo ô

tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao.

11Sentom-pahakiviana no ataon’ny vahoaka rehetra

eo am-pitadiavana izay hohaniny.

Efa nanome izay zava-tsarobidy indrindra izy

mba hatakalo hanina hampodîna hery.

Hoy izy hoe: «TOMPO ô, jereo ka diniho

fa efa voavingavinga loatra aho.»

*

12Avia ianareo rehetra mpandalo eto,

diniho sy jereo raha mba misy fijaliana

tahaka ny fijaliana mihatra amiko,

dia ilay nampahorian’ny TOMPO ahy

tamin’ny andro firehetan’ny fahatezerany.

13Nandefa afo avy tany an-danitra Izy

mba haninteraka ny taolako.

Namela-pandrika haningotra ny tongotro Izy

ka nampitsinkasina ahy.

Nataony lao mihitsy aho,

ka mararirary isan’andro.

14Arahiny maso ny fahotako

izay toy ny vona eo an-tanany;

mitambesatra eo am-bozoko ny ziogan’ny Tompo,

ka nampiketraka ny heriko;

natolony eo an-tanam-pahavalo aho

ka tsy afa-manohitra ireny.

15Nailikiliky ny Tompo

ireo maheriko rehetra.

Nanainga andian-tafika iray Izy hamely ahy

mba afaka hanamontsana ireo zatovoko.

Nohosihosen’ny Tompo toy ny voaloboka am-pamiazana aho,

dia izaho Tsiôna, ilay tsara tarehin’i Joda.

16Izany no loza itomaniako,

sy mahatonga ahy hamarin-dranomaso;

fa lavitra ahy ilay mpampionona

izay afaka hamelombelona ny aiko.

Ringana ny zanako,

fa nahery ny fahavalo.

*

17Mananty tanana miangavy i Tsiôna,

nefa tsy misy mampionona azy.

Nobaikoin’ny TOMPO ireo firenena manodidina

ho fahavalon’ny taranak’i Jakôba;

i Jerosalema, eo afovoan’ireo,

dia tonga fako maharikoriko.

*

18Rariny ny nataon’ny TOMPO,

satria efa nanohitra ny baikony aho.

Mihainoa tsara, rey olona rehetra eto

ka jereo ny fijaliako:

ny tovovaviko sy ny tovolahiko

dia samy lasa ho any an-tsesitany.

19Niantso ireo tia ahy taloha aho,

nefa nilaozany fotsiny.

Niala aina tao an-tanàna

ny mpisoroko sy loholoko

raha iny mbola nitady hanina

hampodîna hery iny.

20TOMPO ô, jereo fa azom-pahoriana aho,

ka mandevilevy fiontanana.

Mihendratrendratra ato anatiko ny foko,

satria nikomy taminao tokoa aho.

Eny an-dalambe, naripaky ny sabatra ny zanako;

ato an-trano, toa hoatry ny any amin’ny maty.

21Henon’ny firenena manodidina fa misento aho;

nefa tsy misy mampionona ahy.

Henon’ny fahavaloko rehetra ny lozako;

ka nahafaly azy ny nampiharinao tamiko.

Ataovy tonga ilay andro nambaranao;

dia aoka hihatra aminy koa izay nanjo ahy!

22Ho tonga eo anatrehanao anie

ny faharatsiany rehetra ka valio izy

tahaka ny namalianao ahy

tamin’ny fahadisoako rehetra.

Satria maro loatra ny sentoko

ka mankararirary ny foko izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help