Hôsea 11 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny fitiavan’Andriamanitra diso fanantenana nefa mandresy

1«Fony mbola tanora i Israely,

dia notiaviko, hoy Izaho Tompo;

ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta.»

2Nefa arakaraka ny niantsoako azy

no vao mainka nanalavirany Ahy.

Nanatitra sorona ho an’i Bahala izy

ary nandoro vovo-javamanitra ho an’ny sampy.

3Izaho no nampiana-mandeha an’i Efraîma

sady nitondra azy an-trotroana.

Kanefa tsy fantany

fa Izaho no nikarakara azy.

4Notahitahîko ny fitarihana azy

tamin’ny mahazakam-pitiavana;

ary ho azy Aho dia toy ny reny

izay manainga ny zanany

hatehika amin’ny takolaka

sady niondrika namahana azy.

5«Tsy hiverina any Ejipta

ny vahoakan’i Israely;

fa i Asiria kosa no hanjaka aminy,

satria tsy nety niverina tamiko izy.

6Hisy ady mafotaka ao an-tanànany,

ka handrava ny fiarovany

ary hahatonga fandripadripahana;

izany no vokatry ny pôlitikan’i Israely.

7Minia miodina amiko ny vahoakako;

ary antsoina mba hanatona Ahy ilay Avo izy

fa tsy misy mety miainga izy rehetra.

8«Hataoko ahoana anefa

no hahafoy anao, ry Efraîma,

na hamadika anao, ry Israely?

Hataoko ahoana koa no hahafoy anao

ho tahaka an’i Admà sy i Tsebôima?

Onena anao ny foko ato amiko

fa indray miontana ny fitiavako.

9Tsy hanampatra fahatezera-mirehitra Aho

na ho avy handringana an’i Efraîma;

tsy olombelona Aho fa Andriamanitra

dia Ilay Masina eo aminao;

ka tsy ho avy amim-pahatezerana mafy Aho.»

10Ny TOMPO Izay hierona tahaka ny liona

no harahin’ireo voasesitany hody.

Ary rehefa mierona ny TOMPO,

dia ireo zanany no hihazakazaka hanatona

avy any ampitan-dranomasina any.

11Avy any Ejipta koa izy

no hanatona amin-kovitra toa voronkely,

ary avy any Asiria

no hanatona amin-kovitra toa domohina;

ka dia hoentiko miverina

any an-tranony indray izy.

Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help