Salamo 9 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ny Tompo no mpamonjy ny mahantra sy ny ampahorîna

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe «Ny fahafatesan-janaka

.» Salamo nataon’i Davida.

ALEFA

2Hidera Anao amin’ny foko manontolo aho, TOMPO ô,

ka hitantara ny zava-mahagaga rehetra nataonao.

3Ho faly sy ravo aminao aho, ry Avo Indrindra ô,

ary hankalaza ny anaranao amin’ny zava-maneno.

BETA

4Miverina ilalana ireo fahavaloko;

lavo izy ka ringana teo anoloanao.

5Eo ambonin’ilay sezafiandriananao

no ipetrahanao ho Mpitsara marina;

ka niaro ny zoko Ianao

ary nanome rariny ahy.

GIMELA

6Norahonanao ny hafa firenena

ary naringanao ny olon-dratsy;

nokosehinao ny fahatsiarovana azy

mba ho levona mandrakizay.

7Nifarana hatreo ny amin’ny fahavalonay,

satria rava tanteraka izy;

efa narodanao ireo tanànany,

ka tsy hotsarovana intsony.

HE

8Injay ny TOMPO Izay maharitra mandrakizay:

mametraka ny sezafiandrianana hitsarany Izy,

9ka hitsara izao tontolo izao araka ny rariny

sy hanapaka ny firenena araka ny hitsiny.

VAO

10Ny TOMPO no fialofana ho an’ny ampahorîna,

eny, fialofana amin’ny andro mahory.

11Aoka hiantehitra aminao

ireo mahalala tsara Anao,

satria Ianao tsy mba mandao

izay mitady Anao, TOMPO ô!

ZAINA

12Ankalazao amin’ny zava-maneno

ny TOMPO Izay monina ao Tsiôna,

ary ambarao amin’ireo firenena

ny zava-mahatalanjona nataony;

13satria mikaroka ny mpamono olona Izy

sady mahatsiaro ireo voavono ho faty

sy ny fitarainan’ireo mahantra.

HETA

14Iantrao aho, TOMPO ô, ka jereo ny fahoriako,

noho ny afitsoky ny mpankahala ahy;

Ianao no misintona ahy ho afaka

amin’ny hasomparan’ny fahafatesana.

15Amin’izay dia hotanisaiko avokoa

ireo anton-javatra iderako Anao;

ao an-tanànan’i Tsiôna no hiravoako,

satria Mpamonjy ahy tokoa Ianao.

TETA

16Ny lavaka izay nohadîny ihany

no nianjeran’ireo hafa firenena;

ny fandrika harato nafeniny ihany

no nahavoasingotra ny tongony.

17Nampahafantatra ny tenany ny TOMPO

fony Izy namoaka ny didim-pitsarany:

ny fandrika nataon’ny olon-dratsy

no indro nahavoa azy ireo.

Fiatoana

JODA

18Any amin’ny fonenan’ny maty

no aoka hiverenan’ny ratsy fanahy,

dia ireo tsy mpivavaka rehetra

izay mpanadino an’Andriamanitra!

KAFA

19Andriamanitra kosa tsy hanadino

na oviana na oviana ny malahelo;

ary tsy ho very mandrakizay

ny fanantenan’ireo mahantra.

20Mirotsaha an-tsehatra re, TOMPO ô,

aza avela hahery noho Ianao ny olona.

Enga anie ireo hafa firenena

hotsaraina eo anatrehanao!

21TOMPO ô, ampitahory ireo:

aoka ho fantatry ny hafa firenena

fa olombelona fotsiny ihany anie izy!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help