Ohabolana 6 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Loza ny fiantohana trosan’olona

1Anaka, niantoka trosan’ny namanao ve ianao

ka nandray tanan’olon-kafa ho marik’izany?

2Namatotra sy naningotra anao ve

ny teny sy fampanantenana voalazanao?

3Raha eny, dia izao no ataovy, anaka,

mba hahafaka ny tenanao

izay efa mby eo an-tanan’ny namanao:

mandehana mitalaho mafy aminy.

4Aza miala sasatra mihitsy na matory

mandra-panaikin’io namanao io.

5Afaho ny tenanao, ka tahafo ny gazela sy ny vorona

izay afa-miala amin’ny fandrika nihazonana azy.

Ialao ny hakamoana

6Mankanesa any amin’ny vitsika, ry ilay kamo.

Diniho ny fanaony, ka mba hendre.

7Tsy manana komandy

na mpifehy na mpibaiko izy,

8nefa mamory ny haniny raha fahavaratra

ary manangona ny sakafony raha fararano.

9Fa ianao kosa, ry ilay kamo,

mandra-pahoviana no mbola handrianao?

Rahoviana ihany ianao vao hifoha?

10Mbola hatory kely sy ho rendremana kely ianao

ary hanohon-tanana kely eo am-pandriana ihany.

11Amin’izay anefa dia hamely anao tampoka

toy ny mpisodisody ny fahantrana

ary toy ny jiolahy ny fahoriana.

Ny anjaran’ny ratsy fanahy

12Tsy valahara sady tsy misy ilana azy

ny olona mpamafy lainga.

13Mipi-maso hamitaka ny hafa izy

sady miantso amin’ny tongony

no manao famantarana amin’ny rantsan-tanany.

14Hafetsifetsena no mameno ny fony

ka mampihevi-dratsy azy mandrakariva

sy mahatonga azy hamafy ady.

15Izany no hampiavy tampoka ny faharavàny;

fa ho potika vetivety tsisy fanafana izy.

Izay ankahalain’ny Tompo

16-19Misy zavatra enina izay halan’ny TOMPO

ka tsy zakany mihitsy, dia ireto:

ny fijery miavonavona,

ny fiteny mandainga,

ny tanana mahafaty olon-tsy manan-tsiny,

ny fo mamorona teti-dratsy,

ny tongotra dodon-kihazakazaka hanao ratsy,

ny vavolombelona mandainga sy manendrikendrika.

Fa misy koa zavatra fahafito,

dia ny olona mpamafy ady amin’ny rahalahiny.

Fampitandremana tsy hijangajanga haka vadin’olona

20Anaka, tandremo ny didin-drainao

ary aza lavina ny fampianaran-dreninao.

21Araiketo mandrakariva ao am-ponao ireo,

ary kajio toa firavaka fiambozonanao.

22Hitari-dalana anao izy raha mandeha ianao,

hiambina anao raha matory ianao

ary hanoro hevitra anao raha mifoha ianao.

23Fa tahaka ny jiro ny didy

toy ny fanilo ny fampianarana,

ary toy ny sori-dalam-piainana

ireo famaizam-panabeazana,

24ka hiaro anao amin’ny vehivavy ratsy fitondrantena

sy amin’ny fanangolen’ny vehivavy vadin’olon-kafa.

25Aza mitsiriritra ny hatsaran-tarehiny ianao

ary aza babon’ny masony mitsipalopalotra.

26Vidin-tapa-mofo no ahazoan-dehilahy

ny vehivavy mpivarotena iray;

fa mihaza remby lafo vidy kosa

ny vehivavy mpanitsakitsa-bady.

27Misy olona mitondra afo

amin’ny paosin’akanjony ve

ka tsy hirehitra akanjo?

28Misy olona manitsaka vain’afo ve

ka tsy ho may tongotra?

29Dia toy izany fa tsy hieren-doza

izay mandry amin’ny vadin’ny namany.

30Tsy omen-tsiny akory ny mpangalatra,

raha toa ka mandroba hampitony hanoanana.

31Fa raha tratra kosa izy, dia hanonitra impito heny

ka hanome izay ananany rehetra ao an-tranony.

32Adala izay lehilahy mangala-badin’olona;

manimba tena ny manao izany.

33Fa hijinja aretina sy fahafaham-baràka izy

ka tsy ho afa-kenatra mandrakizay.

34Satria ny fahasaro-piaro dia hampisafoaka

ny vadin’izany vehivavy izany;

ka tsy hiantra rafilahy izy

amin’ny andro hamaliany faty.

35Tsy hanaiky handray onitra izy

ary tsy hety hilefitra mihitsy,

na dia hotambazana fanomezana be aza.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help