Jeremià 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Ity boky ity dia mirakitra ny asa sy teny nataon’i Jeremià, zanakalahin’i Hilkià isan’ny mpisorona tao Hanatôta, tanàna iray tamin’ny faritanin’i Benjamîna.

2Nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià ireo hafatra ireo, nanomboka ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda,

3sy tamin’ny andron’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, ka hatramin’ny taona farany nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Jôsià iray hafa koa; io taona io dia ny faha-11 nanjakan’i Tsedekià tamin’ny volana fahadimy, fony lasan-ko babo ny mponina tao Jerosalema.

Ny fiantsoana an’i Jeremià ho mpaminany

4Nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

5–Mbola tsy noforoniko

tao an-kibon-dreninao akory ianao

dia efa fantatro,

ary mbola tsy teraka akory ianao

dia efa natokako hanompo Ahy

sy notendreko ho mpaminany

ho an’ny firenena maro.

6Ary namaly aho hoe:

–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô,

mbola tanora loatra aho

ka tsy mahay mandahateny.

7Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe:

–Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho»

fa tsy maintsy handeha

amin’izay rehetra hanirahako anao ianao

ka hilaza aminy

izay rehetra nandidiako anao.

8Aza matahotra azy

fa miaraka anao Aho mba hanafaka anao.

Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko.

9Avy eo IZY dia nandroso ny tanany

ka nanendry ny vavako

ary nilaza tamiko hoe:

–Ianao no hanambara ny teniko.

10Jereo fa omeko fahefana ianao anio

amin’ireo firenena sy fanjakana

mba hanongotra sy hanjera,

hanapotika sy handrava,

ary hanorina sy hamboly.

Ny rantsam-paiso sy ny vilany mangotraka

11Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanontany hoe:

–Inona no hitanao, ry Jeremià?

Dia novaliako hoe:

–Rantsam-paiso na hazo mahatsiaro no hitako.

12Ary hoy ny TOMPO tamiko:

–Nahita tsara ianao, fa hahatsiaro Aho mba hanatanteraka izay lazaiko.

13Dia mbola nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanontany hoe:

–Ary inona no hitanao izao?

Dia novaliako hoe:

–Vilany mangotraka no hitako; avy any avaratra no mitongilana mankatỳ ny vavany.

14Ary hoy ny TOMPO nanazava tamiko:

–Avy any avaratra tokoa

no hipoitra ny loza

hamelezana ny mponina rehetra eto amin’ny tany.

15Fa Izao TOMPO dia miteny hentitra hoe:

Hantsoiko ny fokom-pirenena rehetra

amin’ireo fanjakana any avaratra.

Ho avy ireny ka samy hametraka

ny sezafiandrianan’ny mpanjakany avy

eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema.

Hanodidina ny mandany rehetra izy

ary hanafika ny tanàn-dehibe rehetra any Joda.

16Havoakako ny didim-pitsarana

hamelezana ny mponin’ity tany ity

noho ny ratsy rehetra izay nataony:

nandao Ahy izy ka nanao sorona

ho an’ireo andriamani-kafa,

dia ny andriamanitra asan-tanany izay ivavahany!

17Fa ianao kosa, ry Jeremià, misikìna,

mitsangàna ka ambarao azy

izay rehetra nandidiako anao.

Aza matahotra azy ianao

fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany.

18Manomboka izao dia hataoko mafy

toy ny tanànamimanda ianao

sy toy ny andry vy ary toy ny manda varahina

raha mifanandrina amin’ny mponina rehetra

eto amin’ny tany

amin’ny mpanjakan’i Joda

sy ireo mpitondra fanjakana sy ny mpisorona

ary ny sarambabem-bahoaka ao amin’ny tany.

19Hiady aminao izy nefa tsy haharesy anao,

fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao.

Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help