2 Makabeo Sava lalana - Malagasy Bible Interconfessionelle

Sava lalana –Ny boky faharoan’ny Makabeo dia tsy tohin’ny boky voalohan’ny Makabeo. Ny ampahany betsaka amin’ny ity boky faharoa ity dia famintinana amin’ny teny grika momba ilay lahatsoratra nisy boky dimy nataon’i Jasôna avy any Sirena, mpanoratra jiosy miteny grika. Ny zava-nitranga voatantara ato amin’ny 2 Makabeo dia mahafaoka vaninandro manomboka faramparan’ny nanjakan’i Seleokosa IV izay narahin’i Antiôkosa IV Epifàna ary mifarana amin’ny fahafatesan’i Nikanôra, ilay jeneralin’i Demetry I resin’i Joda Makabeo tamin’ny taona 160 tal J.K. (jereo Sava lalana momba ny 1 Mak).

Ny kendren’ity boky ity dia ny hanainga ireo Jiosy tany Ejipta hahatsiaro koa ny Fanokanana ny tempolin’i Jerosalema (jereo Jôh 10.22) izay azon’i Joda Makabeo indray ary nodioviny tamin’ny taona 165 na 164 tal J.K.. Izany zava-kendrena izany no voafaritra mazava ao amin’ny fizaràna voalohan’ny 2 Mak (toko 1–2), indrindra ao amin’ireo taratasy anankiroa tateriny, dia taratasy nalefan’ny manampahefana ara-pivavahana any Jerosalema ho an’ny Jiosy any Ejipta.

Ny fizaràna faharoa (2 Mak 3–7) dia mitantara ny fomba nandrodanan’ireo Grika na ireo mpomba azy ny tahirin-drakitra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ary ny nampidirany tao ny fombam-pivavahana fanompoan-tsampy. Tantarainy koa ny fomba nampijalian’ny Grika ireo Jiosy tia vavaka sy nikasany hanery azy hivadi-pinoana mba hanaraka ny fitondran-tena amam-pivavahana grika.

Ny fizaràna fahatelo (2 Mak 8–15) dia mitantara ny fikomiana vonon-kiady napoakan’i Joda Makabeo sy ireo fahombiazana voalohandohany azony fony izy nifanehatra tamin’ny tafika grika; izany no nahazoana nanao fanadiovana ny tempoly sy namerina ny fombam-pivavahana jiosy. Avy eo dia voatantara koa ny fandresena hafa azon’i Joda mandra-pahafatin’i Nikanôra, mpitari-tafik’i Demetry I.

Ny fitantarana indraindray dia feno kokoa sy miditra antsipiriany kokoa noho izay perikôpan’ny 1 Mak mifandraika aminy; kanefa ny faniriana hampirindra lahatsoratra sy hanolotra porofo ara-pivavahana no toa mafonja kokoa noho ny fahamarinan-javatra ara-tantara sy ara-krônôlôjia. Azo tsongaina avy amin’ny 2 Mak ireto-maningana anankiroa ireto: i Joda dia manao vavaka ho an’ny maty ary manolotra sorom-panonerana ho azy mihitsy aza (toko 12); nisy koa fahitana azony ka nibanjinany an’i Ônià mpisorombe sy i Jeremià mpaminany, izay samy lehilahy masim-piainana fahiny ary nahitany azy nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny vahoaka tandindomin-doza (toko 15). Ireo zavatra inoana ireo dia tsy hita ijoroana ho vavolombelona ao amin’ny Testamenta Taloha hebraîka, hany ka tsy raisina eo anivon’ireo Fiangonana prôtestanta.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help