Isaià 25 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fisaorana an’Andriamanitra

1TOMPO ô, Ianao no Andriamanitro.

Hanandratra Anao sy hankalaza ny anaranao aho,

satria notanterahinao ny zava-mahagaga

izay efa nokasainao hatry ny elabe

sady mafy orina sy azo itokiana.

2Nataonao lasa antontam-bato ny tanàna,

noravanao tokoa ny tanàna mimanda;

tsy vanon-ko tanàna intsony ny lapan’ny mpiavonavona

sady tsy hatsangana intsony na oviana na oviana.

3Noho izany, dia hisy firenena matanjaka

hanome voninahitra Anao;

ary ny tanànan’ireo firenena lozabe

dia haneho fanajana Anao.

4Fa Ianao tokoa no fiarovana mafy ho an’ny osa;

eny, fiarovana mafy ho an’ny malahelo Ianao

amin’ny andro mampahory azy ireny.

Fialofana amin’ny orana Ianao

sady alokaloka amin’ny hainandro,

satria ny fisafoaky ny mpanjakazaka

dia toy ny oram-batravatra hamely tamboho

5na toy ny hainandro mitarika tany karakaina.

Resenao ny tabataban’ny mpiavonavona;

eny, toy ny andrakofan-drahona ny hainandro

no ampanginana tsy ho re intsony

ny hiram-pandresen’ny mpanjakazaka.

Fanasana ho an’ny firenen-drehetra

6Eto amin’ity tendrombohitra Tsiôna ity,

ny TOMPOn’izao rehetra izao

dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra,

fanasana amin’ny hena matavy ombàn-divay niotrika ela,

dia hena matavy be sy feno tsoka

ary divay niotrika ela sady voadio tsara.

7Eto Izy no hanafoana ny voalim-pisaonana

izay nanarona ny vahoaka rehetra,

hanafoana ny lambam-pahoriana

izay nandrakotra ny firenena rehetra.

8Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.

Hofafan’ny Tompo ANDRIANANAHARY

ny ranomaso amin’ny tava rehetra,

ary hoesoriny ny fahafaham-baràka

nahazo ny vahoakany manerana ny tany.

Izany no nampanantenain’ny TOMPO.

Fifaliana ho an’i Israely sy fahavoazana ho an’i Môaba

9Amin’izany andro izany no hilazana hoe:

«Indro ny Andriamanitsika.

Nanantena Azy isika, hany ka novonjeny.

Eny, Izy no TOMPO nantenaintsika,

koa mifalia sy miravoa isika fa novonjeny!

10Fa hipetraka amin’ity tendrombohitra ity

ny tanam-piarovan’ny TOMPO!»

Fa i Môaba kosa hohosihosena eo amin’ny toerany

toy ny fanosihosy mololo ao am-pahitra tondra-drano.

11Ao izy no hitsiparaka tanana

toy ny fanaon’ny mpilomano;

nefa hampietry ny avonavon’i Môaba ny TOMPO

na dia eo aza ny hamailaky ny tanany.

12Ary ny mandanao mafy sy sarotra iakarana, ry Môaba,

dia efa nazeran’ny TOMPO sy narodany

ka nilamaka an-tany hiafara am-bovoka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help