1Manana ady amin’ny mponin’ity tany ity ny TOMPO, ry Israelita; ka henoy izao teniny izao:
«Tsy misy toetra mahatoky
eto amin’ity tany ity,
tsy misy fitiava-namana,
na fahalalàna an’Andriamanitra.
2Fa mitombo ny fanozonana olona
sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty,
mbamin’ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady;
mifandimby ny ra latsaka.
3Noho izany, fadiranovana ny tany;
reraka ny mponina rehetra ao
mbamin’ny biby eny an-tsaha
sy ny voromanidina;
ary na ny trondron-dranomasina aza
dia ringana koa.»
Fivadihan’ireo mpisorona4Tsy iza no ampangaina sy kianina,
fa ny tenanao mpisorombe
no ifandaharako, hoy ny Tompo.
5Ho tafintohina antoandro ianao;
ny mpaminany koa amin’ny alina
dia hiara-tafintohina aminao;
hataoko ringana i Israely reninao.
6Ho ringana ny vahoakako
noho ny tsifisian’ny fahalalana Ahy.
Satria efa nandà ny fahalalana Ahy ianao,
ka dia mba holaviko tsy ho mpisorona intsony.
Nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao,
ka dia mba hohadinoiko koa ny zanakao.
7Arakaraka ny nahabetsaka ny mpisorona
no vao mainka nanotany tamiko;
ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.
8Ny sorona ataon’ny vahoakako
ho fanalana ny fahotana
no hanina ivelomany;
ka satriny ihany ho diso ireny.
9Kanefa hitovy ny hanjo
ny mpisorona sy ny laîka;
hofaiziko noho ny fitondrantenany izy,
ary hatsingeriko aminy ny ratsy nataony.
10Hihinana ihany izy fa tsy ho voky,
hivaro-tena ihany izy fa tsy hanan-janaka,
satria Izaho TOMPO efa tsy nahoany intsony.
11Ny fijangajangana sy ny fahamamoana
no mahavery hevitra azy.
12Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko;
ary ny tehiny no manoro hevitra azy.
Fa rivotry ny fivarotan-tena
no mitsoka eo aminy ka mampania azy.
Koa dia lasa nivaro-tena
niala tamin’Andriamaniny izy.
13Mihinana ny sorona aterina amin-tsampy
eny an-tampon-tendrombohitra izy,
ary mandoro ditin-kazo manitra
eny amin’ny havoana,
dia eny ambanin’ny hazo ôaka,
sy ny hazo be ravina ary ny terebinta
satria tsara alokaloka ireny
Koa izany no mahatonga
ny zanakavavinareo hivaro-tena
sy ny vinantovavinareo hanitsakitsa-bady.
14Tsy hofaiziko ny zanakavavinareo
raha mivaro-tena izy,
na ny vinantovavinareo,
raha manitsakitsa-bady izy.
Satria ireny mpisorona ireny aza
no mitondra mpivarotena any amin’ny takona,
ka mihinana ny sorona aterina amin-tsampy
miaraka amin’ireny vehivavy ireny.
Fa hoy ny ohabolana hoe:
«Izay vahoaka tsy misy fahaiza-manavaka
dia vahoaka mamery ny tenany.
15Na dia mivaro-tena aza ianao, ry Israely,
dia aoka tsy hanota toy izany koa i Joda.
Aza mankany Gilgala
na miakatra any Bety-Avena ianao;
ary aza mianiana hoe:
«Velona ny TOMPO...!»
16Fa mafy hatoka toy ny ombivavy tsy mety ziogaina i Israely. Koa nahoana ny TOMPO no hitondra azy toy ny zanak’ondry andrasana eny an-kijana?
17Tafaray amin’ny sampy i Efraîma, ka avelao izy
18hanapitra ny fibobohany hampahery mijangajanga azy; fa tia fahafaham-baràka ireo filohany.
19Faohin’ny tadio mitambolimbolina izy ka ho menatra noho ireo sorona nataony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.